GAMALIELA
(Gamalièla) [mety hidika hoe Valisoa (Nahazo ny Sahaza) avy Amin’Andriamanitra].
1. Zanakalahin’i Pedazora, avy amin’ny fokon’i Manase. Mpiadidy teo amin’ny fokony izy. (No 1:10, 16) Izy no iray tamin’ireo mpiadidy 12 nirahin’i Jehovah hanampy an’i Mosesy sy Arona mba hanisa ny zanak’Israely, izay 20 taona no ho miakatra ka afaka niantafika. (No 1:1-4, 10) I Gamaliela no mpifehy ny tafiky ny fokon’i Manase, izay iray tamin’ireo foko telo tao amin’ny fizarana nisy ny tobin’i Efraima. (No 2:18, 20; 10:23) Nanao fanatitra ireo mpiadidy, rehefa voatsangana ny tranolay masina. Nasain’i Jehovah nanaovana fanompoana tao amin’ny tranolay fihaonana ireny fanatitra ireny. Nitondra fanatitra koa i Gamaliela tamin’ny andro fahavalo nitokanana ny alitara.—No 7:1-5, 10, 11, 54-59.
2. Fariseo sy mpampiana-dalàna anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Teo an-tongony ny apostoly Paoly no nobeazina araka ny fampianarana hentitra momba ny Lalàn’ny razamben’izy ireo. (As 5:34; 22:3) Maro no mihevitra an’i Gamaliela ho i Gamaliela Zokiny. Nohajain’ny rehetra i Gamaliela satria izy no voalohany nomena anaram-boninahitra hoe “Rabàna”, izay ambony kokoa noho ny hoe “Raby.” Hoy ny Mishnah (Sôta 9:15) momba azy: “Tsy nisy hasiny intsony ny Lalàna, ary foana hatreo ny fahadiovana sy ny fifadiana, rehefa maty ny Rabàna Gamaliela Zokiny.” (Nadikan’i H. Danby) Azo inoana hoe olona nalala-tsaina i Gamaliela ary tsy nafana fo tafahoatra. Ahitana izany ny torohevitra nomeny, rehefa nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo i Petera sy ny apostoly hafa. Nanonona zava-nitranga fahiny izy mba hanaporofoana fa fahendrena ny tsy misakana ny asan’ireo apostoly. Hoy izy, avy eo: “Raha avy amin’olombelona mantsy izao fikasana na asa izao, dia ho rava, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy—sao dia ho lasa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”—As 5:34-39.