FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rafozandahy”
  • Rafozandahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rafozandahy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifanarahana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Lota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zanakavavy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rafozandahy”

RAFOZANDAHY

Ny teny hebreo hoe ham no ilazana ny rain’ny lehilahy manambady (Ge 38:13, 25; 1Sa 4:19, 21), ary ny endriny milaza vavy hoe hamôht no ilazana ny renin-dralehilahy (izany hoe ny rafozambavin’ilay vehivavy vadiny).​—Rt 1:14; Mi 7:6.

Midika hoe “manao fifanarahana ara-panambadiana” ny teny hebreo hoe hatan. (De 7:3; 1Sa 18:20-27; 1Mp 3:1; 2Ta 18:1) Endriny hafa amin’izy io, ary endriny milaza lahy, no ilazana ny rafozandahin’ny lehilahy iray, izany hoe ny rain’ny vadiny, ary ny endriny milaza vavy no ilazana ny rafozambavin’ilay lehilahy.​—De 27:23.

Noheverina ho toy ny mpivady ny mpifamofo na dia mbola tsy nifampakatra aza, ka nantsoina hoe vadin’ilay lehilahy ny fofombadiny. (Mpts 14:20) Nantsoina hoe ‘vinantolahy’ (anarana avy amin’ny hoe hatan) àry ilay lehilahy, na efa vita ilay fampakaram-bady (Mpts 19:5; 1Sa 22:14; Ne 6:18; 13:28) na vao kasaina hatao. Ohatra amin’izany ireo ‘vinantolahin’i Lota.’ (Ge 19:12, 14; ampit. Mpts 15:6.) Vao fofombady fotsiny ny zanakavavin’i Lota, satria raha efa nampakarina tokoa izy ireo dia tokony ho niaraka tamin’ny vadiny fa tsy ho tao an-tranon-drainy intsony. Ny teny hebreo no ahafantarana hoe olona vao nikasa haka vady ny zanany fotsiny ireo lehilahy ireo, fa mbola tsy tena vinantolahiny. Izany no nahatonga ny Baiboly sasany hilaza azy ireo hoe “vinantolahiny izay efa haka vady [na nikasa haka vady] an’ireo zanany vavy.”​—Ge 19:14, TV; ampit. Prot.; DIEM.

Penterôs no nadika hoe ‘rafozandahy’ (Jn 18:13) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, fa ilay endriny milaza vavy hoe pentera kosa no nadika hoe ‘rafozambavy.’​—Mt 8:14; 10:35; Mr 1:30; Lk 4:38; 12:53; jereo VINANTOVAVY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara