FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Eksodosy, Bokin’ny”
  • Eksodosy, Bokin’ny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Eksodosy, Bokin’ny
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-2 — Eksodosy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Eksodosy, Bokin’ny”

EKSODOSY, BOKIN’NY

Ny horonam-boky faharoa amin’ny Boky Dimy Voalohany; antsoina koa hoe ny Boky Faharoan’i Mosesy. Shemôht (“Anarana”) no anarany amin’ny teny hebreo, avy amin’ireo teny voalohany ao hoe Veʼelleh shemôht (“Ireto avy ny anaran’ny”). Ny hoe “Eksodosy” dia avy amin’ny teny grika hoe E′xo·dos (nampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo) izay midika hoe “Fiaingana; Fialana”, izany hoe fialan’ny Israelita tany Ejipta.

Tohin’ny Genesisy io boky io, satria mamerina ny anaran’ireo zanak’i Jakoba voatanisa ao amin’ny Genesisy 46:8-27 (lisitra feno kokoa). Nosoratana tamin’ny 1512 T.K. ny Eksodosy, herintaona taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta sy nitobiany tany an-tany efitr’i Sinay. Izay nitranga taorian’ny nahafatesan’i Josefa (1657 T.K.) ka hatramin’ny nanorenana ny tranolay masina (1512 T.K.) no voaresaka ao, dia tantara naharitra 145 taona.

Mpanoratra. Tsy nisalasala mihitsy ny Jiosy hoe i Mosesy no nanoratra ny Eksodosy. Velona tamin’izany ilay mpanoratra, fa tsy Jiosy teraka tatỳ aoriana, raha jerena ny teny ejipsianina nampiasainy.

Marina. “Hita fa nahay tsara an’i Ejipta Fahiny [ny mpanoratra ny Eksodosy]. Ireto misy porofo vitsivitsy fa tena hain’ilay nanoratra ny Boky Dimy Voalohany ny fomba amam-panao ejipsianina: Tsy niharoharo tamin’ny hafa firenena ny Ejipsianina nefa namela azy honina tao amin’ny taniny ihany, halany ny mpiandry ondry, nahiahiny ho mpitsikilo ny vahiny avy any Palestina, mafy orina ny rafi-pitondrany, nanana fahefana be ny Mpanjaka sy ny Mpisorona, nanao asa fanorenana lehibe [ny Ejipsianina], nampiasa hafa firenena tamin’ny fanorenana, nampiasa biriky, ... biriky nasiana mololo, ... nanana lehiben’ny mpiasa, nikarakara faty, nanafatra zava-manitra nilaina tamin’izany, ... nitomany mafy rehefa nisaona, ... nampiasa soavaly sy kalesy rehefa niady ... .”​—Porofo Ara-tantara Manamarina ny Soratra Masina, nataon’i George Rawlinson, 1862, p. 290, 291.

Nisy nilaza fa tsy marina hoe nandro tao amin’i Neily ny zanakavavin’i Farao. (Ek 2:5) Nilaza anefa i Hérodote (II, 35) fa afaka nanao izay tiany ny vehivavy tany Ejipta fahiny (hita eo amin’ny tsangambato fahiny koa). Nino koa ny Ejipsianina fa tena nahasoa ny ranon’i Neily. Nankeo amorony i Farao indraindray mba hanao fombafomba ara-pivavahana. Teo izy sy Mosesy no nihaona indroa, fara fahakeliny, nandritra ireo Loza Folo.​—Ek 7:15; 8:20.

Tsy misy tsangambato ejipsianina mitantara hoe tany Ejipta ny Israelita. Tsy mahagaga anefa izany satria tsy fanaon’ny Ejipsianina ny nanoratra teo amin’ny tsangambato ny zavatra nanala baraka azy. Porofo lehibe kokoa noho ny tsangambato ny hoe mankalaza foana ny Paska ny Jiosy, ho fahatsiarovana ny nanafahana azy ireo tany Ejipta.

Misy porofo hafa koa manamarina ny fitantaran’ny Eksodosy. Nilaza i Westcott sy Hort fa in-100 mahery i Jesosy sy ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no niresaka mivantana na an-kolaka momba ny Eksodosy. Nilaza ny marina foana koa i Mosesy. Noresahiny tamim-pahatsorana ny fahalemeny, ny fisalasalany, ary ny fahadisoany. Tsy nihambo ho nahavita nanao fahagagana, nitarika sy nandamina vahoaka noho ny fahaizany fotsiny koa izy, na dia nalaza teo amin’ny Ejipsianina aza izy ary nohajain’ny Israelita.​—Ek 11:3; 3:10-12; 4:10-16.

Andriamanitra no nahatonga ny Israelita honina tany Ejipta sy hiala tany. Tany no toerana tsara indrindra ho azy ireo. Vetivety mantsy izy ireo tany dia lasa firenena natanjaka. Tsy maintsy ho niady tamin’ny Kananita kosa izy ireo raha nijanona tany Kanana. Voaro anefa izy ireo tany Ejipta satria i Ejipta no firenena natanjaka indrindra tamin’izany. Ny faritra tsara indrindra koa no nipetrahany, ka salama tsara sy nihamaro be izy ireo ary nitombo ny fahalalany.

Sarotra tamin’izy ireo anefa ny ho tsara fitondran-tena tany Ejipta, sy ny ho lasa firenena manompo sy manaiky an’Andriamanitra sady manana mpisorona manao fanatitra sy mampianatra. Tsy maintsy notanterahin’Andriamanitra koa ilay fampanantenany hanome ny tany Kanana ho an’ny taranak’i Abrahama, ary tonga izao ilay fotoana. Ho lasa firenena lehibe ny Israely, ary i Jehovah no ho Mpanjakany. Tantarain’ny Eksodosy ny fomba nanatanterahan’i Jehovah izany.​—Ek 15:13-21.

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Misy ampahany amin’ny Eksodosy ny 15 amin’ireo sora-tanana hita teny akaikin’ny Ranomasina Maty. Natao tamin’ny 250 T.K. tany ho any ny ampahany iray (4QExf). Soratra hebreo tranainy nampiasaina talohan’ny sesitany tany Babylona no nanoratana ny ampahany roa, izay mety ho natao tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo T.K.

[Efajoro, pejy 433]

HEVITRA MISONGADINA: EKSODOSY

Tantaran’ny Israelita nafahan’i Jehovah tany Ejipta sy nataony ho firenena voalamina

Nosoratan’i Mosesy tamin’ny 1512 T.K., herintaona teo ho eo taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta

Nandevozina ny Israely tany Ejipta (1:1–3:1)

Lasa andevo ny Israelita noho ny didin’ny mpanjaka; nasainy novonoina ny lahikely vao teraka rehetra

Natsangan’ny zanakavavin’i Farao ho zanany i Mosesy ka tsy maty; notezain-dreniny anefa

Namono Ejipsianina iray mpampijaly izy, nandositra tany Midianina, lasa mpiandry ondry

Nafahan’i Jehovah ny Israely notarihin’i Mosesy (3:2–15:21)

Teo amin’ilay voaroy nirehitra i Mosesy no nirahina hanafaka, hiteny sy hanao zavatra amin’ny anaran’i Jehovah

Niverina tany Ejipta; niseho teo anatrehan’i Farao izy sy Arona, nilaza taminy mba handefa ny Israely hanompo an’i Jehovah any an-tany efitra; tsy nety i Farao fa vao mainka nampahory

Nampanantena indray i Jehovah hoe hafahany ny Israely ka homeny ny tany Kanana; fantatr’izy ireo kokoa ny dikan’ilay anarana hoe Jehovah

Nanjo an’i Ejipta ireo Loza Folo efa nolazain’i Mosesy sy Arona; ny Ejipsianina irery no voa, taorian’ny loza telo voalohany; loza fahafolo: Maty daholo ny lahimatoa sy ny voalohan-teraky ny biby; nankalaza ny Paska ny Israely

Andry rahona no nitarihan’i Jehovah ny Israely rehefa antoandro, fa andry afo kosa rehefa alina; nosarahiny ny Ranomasina Mena ka afaka nandia tany maina izy ireo; maty tao amin’ny ranomasina i Farao sy ny tafiny nanenjika azy ireo

Nataon’i Jehovah ho firenena voalamina ny Israely (15:22–40:38)

Nomeny rano fisotro, hena, ary mana ny Israely tany an-tany efitra; natomboka ny fankalazana Sabata rehefa nomena ny mana

Nanaraka ny tenin’i Jetro i Mosesy ka nifidy lehilahy mahay mba hanampy azy hitsara

Nasain’i Jehovah nanao fifanekena taminy ilay firenena teo an-tendrombohitra Sinay; nanaiky an-tsitrapo izy ireo; nasehon’i Jehovah ny voninahiny

Nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny Didy Folo sy ny lalàna hafa momba izay notakiny

Nampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna ny ram-biby; hoy ny vahoaka: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay”

Toromarika momba ny tranolay masina sy ny kojakojany, ny fitafian’ny mpisorona sy ny fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany

Nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena ny vahoaka rehefa tany an-tendrombohitra Sinay i Mosesy; novakivakin’i Mosesy ireo takela-bato; tsy nivadika ny Levita; 3000 teo ho eo ireo nanompo sampy novonoina

Nahita ny voninahitr’i Jehovah sy nandre azy nilaza ny anarany i Mosesy

Vita ny tranolay masina sy ny kojakojany, noho ireo fanomezana an-tsitrapo; ny 1 Nisana 1512 T.K. ilay tranolay no natsangana, ary sitrak’i Jehovah izany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara