FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “En-jedy”
  • En-jedy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • En-jedy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Hazazona-tamara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny efitr’i Joda — Ngazana nefa mahatalanjona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • En-eglaima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jeroela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “En-jedy”

EN-JEDY

(En-jèdy) [Loharanon’ny Zanak’osy].

Anaran-tanàna niaraka tamin’ny tany efitra nanodidina azy, tao amin’ny faritanin’i Joda. (Js 15:62; 1Sa 24:1) Maro no milaza an’ilay tanàna ho i Tell Jorn (Tel Goren), akaikin’ilay tanàna antsoina ankehitriny hoe ʽEn Jedy. Tokotokony ho 37 km any atsimo atsimoatsinanan’i Jerosalema no misy an’i Tell Jorn, eo amoron’ny Ranomasina Maty.

Tena mamokatra io faritra io. Mampiseho izany ny tenin’ilay tovovavy solemita momba ny “vonin’ny moina eo amin’ny tanimboalobok’i En-jedy.” (To 1:14) Vao ampahany kely monja amin’ireo zavamaniry maro be mbola misy any hatramin’izao anefa izany. Eo amin’ny deboka akaikin’ny Ranomasina Maty no misy an’i En-jedy, ka maniry tsara any ny palmie, hazo balsama, voankazo maro isan-karazany, ary zavamaniry hafa any amin’ny tany mafana. Faritra lonaka any an-tany efitra àry i En-jedy, any akaikin’ny Tany Efitr’i Joda izay ngazana be.​—Jereo JODA, TANY EFITR’I.

Sady be zavamaniry any En-jedy no sarotra aleha, ka azon’i Davida niafenana tsara tamin’izy nenjehin’i Saoly Mpanjaka. Izany no nilazan’ny Baiboly hoe nisy “toerana sarotra aleha tany En-jedy.” (1Sa 23:29) Mitantara ireo mpitsidika an’iny faritra iny, fa mampidi-doza sy mitsatoka be ary be vato ireo lalana anelanelan’ny tendrombohitra any. Misy faritra ngazana be koa any, ary manamarina izany ny filazana hoe “harambato mangadihady nisy osidia.” (1Sa 24:2) Misy manam-pahaizana mihevitra an’io filazana io ho anaran-tsamirery hoe “Vatolampin’ny Osidia” (1Sa 24:3, DIEM), izany hoe anaran-toerana nitangoronan’ny osidia. Mbola ahitana osidia mitangorona any amin’io faritra io ankehitriny. Misy kosa anefa mihevitra hoe tsy anaran-tsamirery io fa fanazavana momba an’ilay toerana ngazana misy osidia sy be tendrombohitra. Feno lava-bato malalaka be ny harambaton’i En-jedy, ary mety ho tao amin’ny iray amin’ireny no niafina i Davida sy ny olony. (1Sa 24:3) Misy milaza fa mety ho iray amin’ireny ilay “valan’ondry” nidiran’i Saoly, izany hoe lava-bato nasiana rindrina maimaika fotsiny teo anoloana mba ho lasa fialofana.​—1Sa 24:2-10.

Tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka, dia nandalo tao “Hazazona-tamara, izany hoe En-jedy” ny tafik’i Amona sy Moaba ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira, rehefa nanafika an’i Joda. (2Ta 20:2; jereo HAZAZONA-TAMARA.) Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana fa “sitrana” ny ranomasina, ka nisy mpanjono ‘nanomboka tany En-jedy ka hatrany En-eglaima.’​—Ezk 47:8-10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara