PETA-KOFEHY
Zaitra mivohitra atao amin’ny kofehy na zavatra hafa maro loko mba ho haingon’ny lamba na hoditra. Efa hatry ny ela no nisy nahay nanao izany. Ny lamban’ny tranolay masina no voalohany resahin’ny Baiboly hoe noravahana sary natao peta-kofehy. Nomen’i Jehovah talenta i Bezalila sy Oholiaba mba hanao an’ilay tranolay ka ho mpanao peta-kofehy sy mpanenona, ankoatra ny asa hafa.—Ek 35:30-35; 38:21-23.
Nasain’Andriamanitra noravahana kerobima natao peta-kofehy ny lamba folo nanaovana ny tranolay masina. Hita avy tao anatin’ny Masina sy Masina Indrindra ireo kerobima ireo. (Ek 26:1; 36:8) Noravahana kerobima toy izany koa ny ridao nanasaraka ireo efitra roa ireo.—Ek 26:31-33; 36:35.
Izao no nanaovana ny efodan’ny mpisoronabe: Nokapokapohina mba hanify ny takela-bolamena, nodidididiana ho lasa kofehy, ary ‘natao nifampidipiditra tamin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony tena tsara, toy ny ataon’ny mpanao peta-kofehy.’ (Ek 39:2, 3; 28:6) “Natao peta-kofehy” koa ny “saron-tratra fitsarana” teny aminy.—Ek 28:15; 39:8.
Nandrasan’ny reniny hitondra zavatra azo babo, toy ny akanjo misy peta-kofehy, i Sisera rehefa avy niady tamin’ny Israelita, hoy ny hiram-pandresena nataon’i Baraka sy Debora. (Mpts 5:1, 28, 30) Tian’i Jehovah i Jerosalema ka toy ny hoe nampanaoviny “akanjo [lafo vidy] misy peta-kofehy.” Nanompo sampy na nivaro-tena tamin’ny sarivongana lehilahy anefa ny mponina tao, ka nampitafiany akanjo misy peta-kofehy ireo sarivongana. (Ezk 16:1, 2, 10, 13, 17, 18) ‘Hanala ny fitafiany misy peta-kofehy’ ireo “andrianan’ny ranomasina” hiongana, hoy i Jehovah, rehefa resin’i Babylona i Tyro nanan-karena.—Ezk 26:2, 7, 15, 16.