LAKALY FIGADRANA
Efitra kely maizimaizina ambanin’ny tany atao fonja. Avy amin’ny fototeny midika hoe “manidy; manakatona” ny teny hebreo hoe masger nadika hoe “lakaly figadrana.” (Ge 19:6; Mpts 3:23) Tsapan’i Davida ho toy ny tao anaty lakaly figadrana izy rehefa niafina tao anaty lava-bato, tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka. Toa nanjombona ny fiainany satria efa imbetsaka izy no saika maty, be fandrika ny lalany, ary tsy nisy toeran-kafa handosirany. Nivavaka àry izy mba hafahan’i Jehovah. (Sl 142:7) Indroa i Isaia no nampiasa an’ohatra ny hoe “lakaly figadrana”: 1) “Hohidiana ao amin’ny lakaly figadrana” “ny tafiky ny avo” (mety ho ireo anjely tsy nankatò) sy “ny mpanjakan’ny tany” rehefa tsarain’i Jehovah, ary hojerena indray “rehefa afaka andro maro”, angamba rehefa hovahana vetivety ireo anjely tsy nankatò. (Is 24:21, 22; ampit. Ap 20:1-3.) 2) Hisy hafahana avy ao anaty haizina ara-panahy toy ny hoe avy ao amin’ny lakaly figadrana. (Is 42:7) Hanampy ny olona hahita ny fahazavan’ny fahamarinana mantsy i Jesosy Kristy, hoy i Simeona zokiolona izay notarihin’ny fanahy.—Lk 2:25-32; jereo FONJA.