FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Devoly”
  • Devoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Devoly
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Mifosa, Manendrikendrika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Aza Omena Toerana ny Devoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Jodasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Devoly”

DEVOLY

Nomena an’io anarana io i Satana, noho izy lehiben’ny mpanendrikendrika sy mpiampanga an’i Jehovah sy ny teniny ary ny anarany masina. Midika hoe “mpanendrikendrika” ny teny grika hoe diabôlôs. (Ampitahao amin’ny Lk 16:1, izay ahitana an’ilay matoanteny hoe diaballô.)​—Jereo SATANA.

Lehiben’ny mpanohitra an’Andriamanitra sy ny olona foana ny Devoly. Nifanditra tamin’i Mikaela ny amin’ny fatin’i Mosesy izy (Jd 9); nahay namandrika olona (1Ti 3:7; 2Ti 2:26); nampiasa olona toa an’i Jodasy Iskariota sy Barjesosy ary ireo mpitondra fivavahana izay lasa zanany daholo (Jn 8:44; 13:2; As 13:6, 10); nampahory olona tsy nety sitran’ny dokotera (As 10:38); nanao izay hampidirana olo-marina tany am-ponja (Ap 2:10); ary nanan-kery hahatonga fahafatesana mihitsy aza (He 2:14). Toroana hevitra àry ny Kristianina mba tsy ho tezitra foana sao hanome toerana ho an’io Mpanendrikendrika an’Andriamanitra io. (Ef 4:27) Hoy koa i Petera: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”​—1Pe 5:8.

Indraindray anefa tsy i Satana no tiana holazaina amin’ilay hoe diabôlôs ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ka nadika hoe “mpanendrikendrika” izy io. Izao, ohatra, no nolazain’i Jesosy tamin’izy 12 lahy momba an’i Jodasy: “Ny anankiray aminareo dia mpanendrikendrika.” (Jn 6:70) Nampitandremana ny vehivavy teo anivon’ny fiangonana mba tsy ho mpanendrikendrika. (1Ti 3:11; Tit 2:3) Voalaza koa fa “ho mpanendrikendrika” ny olona amin’ny “andro farany.”​—2Ti 3:1-5.

Noraran’ny lalàn’i Jehovah ny fanendrikendrehana. (Le 19:16) Hita ao amin’ny Baiboly manontolo fa tena ratsy ny manendrikendrika.​—2Sa 19:27; Sl 15:3; 101:5; Oh 11:13; 20:19; 30:10; Je 6:28; 9:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara