FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Deoteronomia”
  • Deoteronomia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Deoteronomia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-5 — Deoteronomia
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Deoteronomia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • “Tonga Lafatra ny Lalàn’i Jehovah”
    Manatòna An’i Jehovah
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Deoteronomia”

DEOTERONOMIA

(Deôterônômìa).

Ny fahadimy amin’ny Boky Dimy Voalohany. Devarim (Teny) no teny hebreo voalohany ao amin’izy io, ary izay koa no anarany amin’ny teny hebreo. Deoterônômiôn (a.b.t.: Lalàna Faharoa; Famerenana ny Lalàna) kosa no anarany ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary izay no niavian’ilay hoe “Deoteronomia.” Ilay hoe Deoterônômiôn no teny grika nandikana ny teny hebreo hoe mishneh hattôhrah (De 17:18) izay midika hoe ‘lalàna nadika.’

Iray amin’ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly ary ekena ho nosoratan’i Mosesy ny Deoteronomia, matoa noheverin’ny Jiosy foana hoe anisan’ny Lalàn’i Mosesy. Mitovy amin’ny an’ireo boky efatra hafa anisan’ny Boky Dimy Voalohany ihany ny porofo hoe anisan’ny Baiboly ny Deoteronomia. (Jereo BOKY DIMY VOALOHANY sy ireo lahatsoratra momba ny boky tsirairay.) Ny tenin’i Jesosy no porofo lehibe indrindra, satria intelo izy no naka teny tao rehefa nalain’i Satana Devoly fanahy. (Mt 4:1-11; De 6:13, 16; 8:3) Ny Deoteronomia 6:5 koa no naveriny rehefa nanontaniana izy hoe inona no didy lehibe indrindra sady voalohany. (Mr 12:30) I Paoly kosa naka teny tao amin’ny Deoteronomia 30:12-14 sy 32:35, 36.​—Ro 10:6-8; He 10:30.

Zava-nitranga tao anatin’ny roa volana mahery tamin’ny 1473 T.K. no resahin’ny Deoteronomia. Nosoratana tany amin’ny Lemak’i Moaba izy io, ary mirakitra lahateny efatra, hira iray, ary tsodranon’i Mosesy ho an’ny Israelita tamin’izy ireo nitoby teo amin’ny sisin-tanin’i Kanana rehefa hiditra tao.​—De 1:3; Js 1:11; 4:19.

Zava-kendreny. Tsy lalàna faharoa na famerenana ny Lalàna manontolo ny Deoteronomia, na izay aza no dikan’ny anarany, fa fanazavana ny Lalàna kosa. (De 1:5) Nampirisihin’i Mosesy tsy hivadika amin’i Jehovah ny Israelita, ka tsy hanahaka an’ireo nirenireny nandritra ny 40 taona. Nohazavainy sy novelabelariny ny lafiny sasany amin’ny Lalàna sy ny toro lalana ao, satria tsy hifindrafindra monina intsony ny Israelita fa hanorim-ponenana ao Kanana. Nahitsiny àry ny lalàna sasany, ary nisy fitsipika fanampiny nomeny momba ny fomba fitondrana ao amin’ilay Tany Nampanantenaina.

Nasain’i Mosesy nanavao an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’i Jehovah ilay firenena, ary nasongadiny fa tena zava-dehibe ny fahalalana sy ny fampianarana. Miverina imbetsaka kokoa ny teny hoe ‘mampianatra’ sy ‘fampianarana’ ao amin’ny Deoteronomia noho ny ao amin’ny Eksodosy, Levitikosy, na Nomery. Nohazavain’i Mosesy fa nampianatra ny Israely i Jehovah rehefa nanome mana azy ireo. (De 8:3) Nasainy nataon’izy ireo toy ny fehiloha teo amin’ny handriny, sy toy ny soratra teo amin’ny tolàm-baravarany sy ny vavahadiny ny lalàn’i Jehovah. (6:8, 9) Tokony halentik’izy ireo tsikelikely ao an-tsain’ny zanany ilay izy. (6:6, 7) Hovakina isaky ny fito taona ny Lalàna, mandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo (fanao isan-taona). (31:10-13) Izao no toromarika manokana ho an’izay ho mpanjakan’ny Israely: Tokony hataony dika mitovy ny Lalàna mba hovakiny isan’andro. (17:18-20) Isaky ny nivoaka hiady ny Israely, dia tokony handrisika azy ireo hanam-pinoana sy hahery fo ny mpisorona, ary tokony hanome toky fa handresy izy ireo. Niara-nandeha tamin’izy ireo mantsy i Jehovah Andriamaniny. (20:1-4) Hozaraina roa ireo foko rehefa ao amin’ny Tany Nampanantenaina: Ny iray ho eo amin’ny Tendrombohitra Ebala, ary ny iray ho eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima, ka hovakina amin’izy ireo ny Lalàn’Andriamanitra.​—27:11-26; ampit. Js 8:33-35.

Asongadiny ny fitiavana. Asongadin’ny Deoteronomia koa ny fitiavana, hatsaram-panahy ary fiahiana. Miseho avo dimy heny mahery noho ny ao amin’ny Eksodosy, Levitikosy, ary Nomery mitambatra ny teny hoe “fitiavana” na “tia” ao amin’ny Deoteronomia. Ao irery koa no ahitana an’ilay didy lehibe indrindra hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo” (De 6:5; jereo koa 10:12; 11:13), izay naverin’i Jesosy. (Mt 22:36, 37) Imbetsaka i Jehovah no nilaza fa tiany ny Israely. (De 7:7-9; 23:5; 33:3) Hoy mihitsy izy: “Raha mba miezaka hanana fo matahotra ahy sy mitandrina foana ny didiko rehetra mantsy izy ireo, dia hahita soa izy sy ny taranany, mandritra ny fotoana tsy voafetra!” (5:29) Miverimberina ao amin’ny Deoteronomia koa ny hoe ‘mba hahita soa ianao’ sy hoe “mba ho velona ianao.”​—4:40; 5:16; 6:3; 22:7; 30:19, 20.

Tsy maintsy niady ny Israely mba hakana ny tany Kanana. Naneho fiahiana anefa i Jehovah. Tsy nitaky zavatra tafahoatra izy satria tsy ny handresy no tena zava-dehibe na tena maika. Tsy nandeha niady, ohatra, ny lehilahy nanana fofombady. (De 20:7) Tsy nandeha koa ny lehilahy vao nampaka-bady, mba hikarakarany ny vadiny sy hiarahan’izy roa herintaona fara fahakeliny. (24:5) Tsy niantafika koa ny lehilahy nanao tanimboaloboka nefa mbola tsy nihinana ny vokatra, na nanorina trano nefa mbola tsy nitokana an’ilay izy, mba hifaliany amin’izay nisasarany.​—20:5, 6.

Nanome tsipiriany mazava momba ny fomba fiady sy ny fakana an’i Kanana i Jehovah. Nalefa nody ireo kanosa sao hanjary hatahotra koa ireo rahalahiny. (De 20:8) Nisy firenena kananita tena ratsy toetra, ka nolazain’i Jehovah fa tsy maintsy haringana tanteraka. Nomena safidy kosa ny firenen-kafa hoe hitolo-batana sa haringana. Noterena hanao fanompoana ireo nitolo-batana, kanefa tokony ho tsara fanahy aminy ny Israelita. Tsy tokony hovetavetaina ny vehivavy tao amin’ny tanàna azo babo. Raha tsy nanaiky hitolo-batana kosa ny tao an-tanàna, dia novonoina ny lahy rehetra, fa ny ankizy mbamin’ny vehivavy mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy ihany no notsimbinina. (20:10-18; ampit. No 31:17, 18.) Tsy azon’ny Israelita nokapaina hanaovana fahirano ny hazo fihinam-boa.​—De 20:19, 20.

Nanehoana fiahiana koa ny biby. Tsy azo nalaina ny vorona tao amin’ny akaniny, satria te hiaro ny zanany izy matoa tratra tao. Tokony halefa ilay reniny mba ho afaka hanatody indray, fa ireo zanany ihany no azo nalaina. (De 22:6, 7) Tsy azo nampiraisina zioga ny ampondra sy ny omby, mba tsy hijaly ilay biby tsy dia natanjaka. (22:10) Tsy nasiana fehivava ny omby niasa teny am-pamoloana. Niasa mafy mantsy izy, ary ho nijaly nahita an’ilay sakafo nefa tsy afaka nihinana.​—25:4.

Nanehoana fiahiana koa ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Nomena anjaran’olon-droa ny lahimatoa, na zanak’ilay vady tiana izy na tsia. (De 21:15-17) Sambany navoaka ny lalàna momba ny fitondrana loloha, ary nalam-baraka izay tsy nanaraka an’ilay izy. (25:5-10) Vatomizana sy famarana marina no tsy maintsy nampiasaina. (25:13-16) Tokony hasiana arofanina ny tampon-trano, satria sarobidy ny aina. (22:8) Na ny kapoka natao tamin’ny olona meloka aza noferana ho 40, ho fiahiana azy. (25:1-3) Tsipiriany fanampiny amin’ny Lalàna ireny fitsipika rehetra ireny, sady porofon’ny fiahian’i Jehovah. Nisy koa anefa fitsipika hentitra kokoa.

Fampitandremana sy lalàna. Nampitandremana imbetsaka ny Israelita mba tsy hanaraka fivavahan-diso sy tsy hivadika. Nolazaina taminy izay tokony hatao amin’izay rehetra nisy ifandraisany tamin’ny fivavahan-diso, mba hiarovana ny fivavahana marina. Asongadin’ny Deoteronomia fa tokony ho masina foana ny Israelita. Tsy tokony hifanambady amin’ny firenena nanodidina izy ireo, satria hampiala azy amin’ny fivavahana marina izany ka hahatonga azy hivadika amin’i Jehovah. (De 7:3, 4) Tsy tokony ho tia harena na hihevi-tena ho marina izy ireo. (8:11-18; 9:4-6) Hentitra ny lalàna momba ny fivadiham-pinoana. Tokony hitandrina ny Israelita mba tsy hanompo andriamani-kafa. (11:16, 17) Tsy tokony hihaino mpaminany sandoka izy ireo. Natoro azy àry hoe ahoana no amantarana azy ireny ary inona no hatao aminy. (13:1-5; 18:20-22) Raha nisy nivadi-pinoana, dia tsy hiantra azy ny mpianakaviny fa ho anisan’ireo hitora-bato azy ho faty.​—13:6-11.

Naringana tanteraka ny olona iray tanàna nivadi-pinoana, ary nodorana ny zava-drehetra tao mba tsy hisy hampiasa intsony. Tsy haorina intsony ilay tanàna. (De 13:12-17) Notoraham-bato ho faty ny zanaka maditra tsy laitra fehezina intsony.​—21:18-21.

Nisy lalàna momba izay maty novonoin’ny olona tsy fantatra. Hita amin’izany fa masina ny aina, ary tsy meloka ireo tsy nandatsa-dra. (De 21:1-9) Nahasaro-piaro an’i Jehovah ny fivavahana madio, satria nanome toromarika izy hoe iza no nahazo niditra ho anisan’ny fiangonany ary rahoviana. Tsy nahazo niditra, ohatra, ny zazasary (na hatramin’ny taranany fahafolo aza), ny Moabita, ny Amonita, ary ny lehilahy novosirina. Nahazo niditra kosa ny zafiafin’ny Ejipsianina sy ny Edomita.​—23:1-8.

Nomena toromarika momba ny fitsarana koa ireo Israelita honina ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Anisan’izany ny fepetra notakina tamin’ny mpitsara, ny fitsarana teo am-bavahadin’ny tanàna, ary ny fitsarana tampony tao amin’ny toerana masina izay namoaka didim-pitsarana tokony heken’ny rehetra.​—De 16:18–17:13.

Asongadin’ny Deoteronomia fa i Jehovah irery ihany no Andriamanitra (De 6:4), firenena nofidiny ny Israely (4:7, 8), ary toerana iray ihany no nisy ny foiben’ny fivavahana marina (12:4-7). Voalaza ao koa fa hanendry mpaminany toa an’i Mosesy i Jehovah. Hiteny amin’ny anaran’i Jehovah io mpaminany io, ary tsy maintsy manaiky azy ny olona rehetra.​—18:18, 19.

[Efajoro, pejy 382]

HEVITRA MISONGADINA: DEOTERONOMIA

Lahateny manazava ampahany amin’ny Lalàna sy mampirisika ny Israelita ho tia sy hankatò an’i Jehovah rehefa ao amin’ilay tany hidiran’izy ireo

Nosoratan’i Mosesy rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina tamin’ny 1473 T.K.

Tsarovy izay nataon’i Jehovah, ary izy irery ihany tompoina (1:1–4:49)

Nampahatsiahy i Mosesy fa tsy nanam-pinoana sy nikomy ny Israely rehefa nandre ny tatitry ny mpitsikilo; nianiana i Jehovah fa ho faty any an-tany efitra izy ireo

Aza mihetraketraka amin’ny taranak’i Esao (rahalahin’i Jakoba) na ny Moabita sy Amonita (taranak’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama); nomena ny Israely ny tanin’i Sihona sy Oga mpanjaka amorita teny atsinanan’i Jordana

Niangavy ny hiampita an’i Jordana i Mosesy; tsy nanaiky i Jehovah fa nasainy notendrena sy nohatanjahina i Josoa mba hitarika an’ilay firenena

Tsarovy fa tezitra mafy i Jehovah tamin’ilay raharaha momba an’i Balan’i Peora; aza hadinoina izay nitranga tao Horeba; aza manao sary sokitra hivavahana; mitaky ny hanompoana azy irery i Jehovah

Tiavo i Jehovah ary ankatoavy ny didiny rehetra (5:1–26:19)

Notantarain’i Mosesy fa nomena tao Horeba ny Lalàna, nolazainy indray ny Teny Folo, nampirisihiny hanao araka izay nandidian’i Jehovah ny Israely

Tiavo amin’ny fo sy tena ary hery manontolo i Jehovah; tadidio foana ny didiny; hazavao amin’ny zanakareo ny antony nanomezany fitsipika

Firenena fito haringana, hopotehina ny alitarany sy ny sampiny; aza mifanambady aminy

Aza hadinoina ny fiahian’i Jehovah tany an-tany efitra mba hampahafantarana fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa

Tsarovy fa tezitra i Jehovah rehefa nanao zanak’omby tamin’ny metaly izy ireo; matahora sy manompoa azy ary mifikira aminy; tandremo ny didy rehetra

Ao amin’ny Tany Nampanantenaina: Foany ny fivavahan-diso; manompoa an’i Jehovah ao amin’ny toerana hofidiny; aza mihinan-dra; vonoy ho faty ny mpivadi-pinoana; mihinàna sakafo madio; omeo ny ampahafolon-karena; ampio ny mahantra; ankalazao ny fety fanao isan-taona; manaova ny rariny; aza mifandray amin’ny fanahy ratsy; henoy ny mpaminanin’i Jehovah; aza akisaka ny fetran’ny tany; aza mandatsa-dra; manehoa fangorahana; fadio ny fitondran-tena maloto; omeo an’i Jehovah ny voaloham-bokatra; aoka ho masina eo anatrehany

Hotahina raha mankatò, ho voaozona raha tsy mankatò (27:1–28:68)

Hosoratana eo amin’ny vato lehibe ny Lalàna, rehefa tafampita an’i Jordana

Hotononina eo amin’ny Tendrombohitra Ebala ny ozona

Hotononina eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny fitahiana ho an’izay mankatò ny didy rehetra

Fifanekena teo amin’ny Lemak’i Moaba (29:1–30:20)

Tantara momba ny fiahian’i Jehovah tany Ejipta sy nandritra ny 40 taona tany an-tany efitra; ratsy ny mikiry tsy mankatò

Hamindra fo amin’izay mibebaka i Jehovah

Hisafidy fiainana sa fahafatesana; mifidiana ny fiainana ka tiavo i Jehovah, henoy ny feony, ary mifikira aminy

I Josoa indray no mpitarika, tsodranon’i Mosesy farany (31:1–34:12)

Voatendry hitarika ny Israely i Josoa

Nampianatra hira i Mosesy: Ho vavolombelona hiampanga ny Israelita ilay hira raha mahafoy an’i Jehovah izy ireo

Nitso-drano ny fokon’ny Israely i Mosesy; maty teo amin’ny Tendrombohitra Nebo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara