FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Demasy”
  • Demasy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Demasy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo Mpiara-miasa Tamin’i Paoly — Iza moa Izy Ireo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Inona no tena misy vidiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ho Vitanao ny Hanohitra An’i Satana sy Handresy Azy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Banjino Foana Ilay Loka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Demasy”

DEMASY

(Demàsy) [mety ho fanafohezana ny hoe “Demetrio”, izay midika hoe “An’i Demetera”].

Mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly taloha. Tamin’i Paoly nigadra voalohany tany Roma, dia niaraka taminy tany i Demasy. Anisan’ireo nanao mampamangy izy tao amin’ny taratasy ho an’ny Kolosianina sy ho an’i Filemona. (Kl 4:14; Flm 24) Rehefa nanoratra ho an’i Timoty i Paoly tamin’izy nigadra fanindroany, dia efa nandao azy i Demasy satria lasa tany Tesalonika. Mety ho tanàna niaviany io.​—2Ti 4:10.

Ny hany voalaza hoe antony nandaozan’i Demasy an’i Paoly dia hoe “tia an’ity tontolo ity” izy. Tsy nilaza ilay apostoly hoe lasa mpivadi-pinoana na mpanohitra izy. Angamba ny harena sy ny fahafinaretana no lasa tiany kokoa noho i Jehovah. Mety hoe natahotra ny hiara-hovonoina tamin’i Paoly koa izy, ka nitady toerana azo antoka kokoa hanavotana ny ainy, teo amin’ilay tontolo nisy tamin’izany. Na ahoana na ahoana, dia tsy nampahery an’i Paoly tao anatin’ny sarotra izy, na dia tena afaka nanohana an’io rahalahiny io aza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara