FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Marenina”
  • Marenina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Marenina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Karakarao Izay Ilain’ny Marenina mba Hanatonany An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • ‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Mahasoa An’ireo Marenina ny Mianatra Baiboly”
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Marenina”

MARENINA

Tsy mandre tsara na tsy mandre mihitsy. Matetika izy io no vokatry ny aretina, na loza, na feo mafy be tampoka sy vetivety na feo mafy be tsy an-kijanona. Misy kosa olona marenina hatrany an-kibon-dreniny. Voaresaka ao amin’ny Baiboly fa nisy koa olona nataon’ny demonia lasa marenina. (Mr 9:25-29) Ilazana olona tsy mandre na olona mangina tsy miteny ny fototeny niavian’ny teny hebreo hoe heresh (“marenina”; Is 35:5). Adika hoe “manampin-tsofina tsy hihaino” sy hoe “lasa marenina” ary hoe “mangina fotsiny” ilay fototeny, indraindray.​—Sl 28:1; 35:22; 50:3; Mi 7:16.

I Jehovah no Mpamorona ny sofina (Oh 20:12), ka nandidy ny vahoakany izy mba ho tsara fanahy amin’ny marenina. Tsy azon’ny Israelita natao àry ny naneso na nanozona ny marenina, satria tsy mandre izy ka tsy afaka miaro ny tenany.​—Le 19:14; ampit. Sl 38:13, 14.

Voalaza fa ‘nampisy ny marenina’ i Jehovah. (Ek 4:11) Tsy midika izany hoe izy no mahatonga ny olona harenina. Azony atao lasa marenina, na moana, na jamba anefa ny olona sasany, saingy misy antony matoa izy manao izany. Nataony lasa moana nandritra ny fotoana kelikely, ohatra, ny rain’i Jaona Mpanao Batisa, noho izy tsy nino. (Lk 1:18-22, 62-64) Misy koa olona avelany harenina eo amin’ny lafiny ara-panahy rehefa izay no tian’ilay olona.​—Ampit. Is 6:9, 10.

Nanao fahagagana i Jesosy Kristy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany, ka imbetsaka izy no nanasitrana marenina. (Mt 11:5; Mr 7:32-37; Lk 7:22) Manome antoka izany fa ho foana ny fijaliana rehetra, rehefa hitondra ny tany ny fanjakany, ka tsy hisy olona ho lasa marenina intsony.

Tsy mety mihaino tari-dalana ny ratsy fanahy ka nampitovin’ny mpanao salamo tamin’ny kôbrà manampin-tsofina tsy mety mihaino ny feon’ny mpibaiko azy. (Sl 58:3-5) Toy izany koa ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia: Nanan-tsofina izy ireo kanefa toy ny hoe marenina satria tsy nazoto nihaino sy nankatò ny tenin’i Jehovah. (Is 42:18-20; 43:8) Tsy narenina teo amin’ny lafiny ara-panahy intsony anefa izy ireo rehefa nody avy tany an-tsesitany. Nihaino tsara ny tenin’i Jehovah mantsy izy ireo tamin’izay. (Is 29:18; 35:5) Tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany, dia nataony nandre ny sofin’ny olona, izany hoe, nataony izay hahatakaran’ireo olona ireo ny hevitr’izay reny sy hampiharan’izy ireo an’izany.​—Mt 13:16, 23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara