FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Siprey”
  • Siprey

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Siprey
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hazo Misy Ditiny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zenevrie
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana Isika no Tokony Hanaja ny Zokiolona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Hazo Volondavenona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Siprey”

SIPREY

[Heb.: teʼashshor].

Hazo maitsoririnina misy voany mafy hoatran’ny voan-kesika. Anisan’ireo hazo “voninahitr’i Libanona” ny siprey. Mety ho tany Libanona àry izy io no naniry, ary mety ho tena mafy sy tsara tarehy. Toa tsy marina ilay hoe hazo “bokso” (Prot.), hoy ny manam-pahaizana sasany, satria tsy maniry any Palestina ny hazo bokso ary hazo madinika izy io any Syria. (Diksionera Ara-baibolin’i Unger, 1965, p. 1134; Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 292) Maro no mihevitra fa siprey angamba ilay hoe teʼashshor (heb.) resahin’ny Isaia 41:19; 60:13.​—Jereo Diksionera Momba ny Fiainana Fahiny, nataon’i W. Corswant, Suffolk, 1960, p. 55; Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, Boky 1, p. 459; Boky Faha-2, p. 292; Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 1017.

Maitso be ny ravin’ny siprey (Cupressus sempervirens) sy ny sampany, izay maniry miakatra toy ny an’ny hazo aravahan’i Lombardie. Mahatratra 9 ka hatramin’ny 15 m na indraindray 24 m aza ny haavon’ny siprey. Ambolena eran’i Palestina izy io, fa misy kosa maniry ho azy any Gileada, Edoma, ary eny an-tehezan-tendrombohitr’i Libanona. Somary mena ilay hazo, manitra, ary mateza be. Toa nampiasain’ny Fenisianina, Kretanina, ary Grika hanaovana sambo izy io (Ezk 27:6), ary mety ho io, hono, ilay “hazo misy ditiny” nanaovan’i Noa ny sambofiara.​—Ge 6:14; jereo HAZO MISY DITINY.

Milaza i Jehovah fa hampaniriany any an-tany efitra koa ny hazo maniry any amin’ny tany lonaka. (Is 41:19) Hahatsara tarehy ny toerany masina koa ny siprey sy hazo volondavenona ary zenevrie, hoy ny faminaniana momba an’i Ziona izay hasandratra sy hiadana.​—Is 60:13.

Manao hoe “hazo siprey” koa ny Targoma ao amin’ny Ezekiela 27:6. Bat-ʼashorim (heb.) izay midika hoe “zanakavavin’ny Asorita” anefa no ao. Tokony ho teny iray ihany àry ireo teny hebreo roa ireo ka hatao hoe bitʼash·shorim (“hazo siprey”), hoy ny manam-pahaizana maro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara