KIPANTSONA
Zavamaneno ampifandonina hoatran’ny kipantsona ankehitriny ihany izy io fahiny, ary nampiarahina tamin’ny harpa, trompetra ary zavamaneno hafa. (2Sa 6:5; 1Ta 15:28; 2Ta 5:12, 13) Avy amin’ny fototeny hoe tsalal (“mangorintsina; mipararetra”) ny hoe tsel·tselim sy metsiltayim (heb.) nadika hoe kipantsona. (1Sa 3:11; Ha 3:16) Varahina ny kipantsona tao amin’ny tempolin’i Jehovah (1Ta 15:19), saingy tsy resahin’ny Baiboly ny mombamomba azy. Nahitana kipantsona varahina miharo volafotsy kely tao amin’ny fasana ejipsianina fahiny iray, ary mety ho hoatran’io ilay resahin’ny Baiboly. Mirefy 14 sm eo ho eo ny savaivony, ary misy tahony eo afovoany.
Toa nisy kipantsona isan-karazany tany Israely, matoa ny Salamo 150:5 miresaka “kipantsona tsara feo” sy “kipantsona avo feo.” Miresaka zavamaneno samy hafa ny andininy faha-3 sy faha-4, ka mety ho kipantsona kely mamoaka feo mikarantsana ilay voalohany resahin’ny andininy faha-5, ary kipantsona lehibe kokoa mamoaka feo mafy sy migoboka kokoa ilay faharoa, rehefa ampifandonina mafy.
Toy ny “kipantsona mikarantsana” ny olona mahay fiteny samihafa nefa tsy manam-pitiavana, hoy ny apostoly Paoly, satria tia sehoseho fotsiny. (1Ko 13:1) Nampiasaina tamin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa ny kipantsona hafa resahin’ny Baiboly, ankoatra ny voalaza etsy aloha. (1Ta 13:8; 16:5, 42; 25:1, 6; 2Ta 29:25; Ezr 3:10; Ne 12:27) Levita efa niofana no nampaneno ny kipantsona tao amin’ny tempoly. (1Ta 16:4, 5, 42) Misy manam-pahaizana milaza fa ny Levita, ary indrindra fa ny mpisorona, ihany no nampaneno kipantsona. Toa nanao izany koa anefa ny olon-kafa, satria hoy ny Salamo 150:1, 5, 6: ‘Miderà an’i Jah! Derao amin’ny kipantsona izy. Aoka hidera an’i Jah ny zavamiaina rehetra.’