FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpanao Asa Tanana”
  • Mpanao Asa Tanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanao Asa Tanana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpandrafitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sokitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpanefy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Demetrio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpanao Asa Tanana”

MPANAO ASA TANANA

Mpanao taozavatra. Adika matetika hoe “mpanao asa tanana” ny teny hebreo hoe harash. Rehefa voafaritra mazava anefa hoe inona ilay asa tanana, dia adika koa izy io hoe “mpanao asa hazo sy asa vy” (De 27:15), ‘mpandrafitra sy mpanao vato’ (2Sa 5:11), “mpanefy vy”, “mpanao sokitra hazo” (Is 44:12, 13), “mpanefy” (1Sa 13:19), ary “mpanamboatra.” (Is 45:16) Nahay “asa tanana isan-karazany” i Bezalila sy Oholiaba, satria mpanefy metaly sy vatosoa, mpanao sokitra hazo, mpanenona ary mpandoko lamba.​—Ek 35:30-35; jereo koa 2Mp 12:11, 12.

Asa aman-draharaha fanaon’ny lehilahy sy vehivavy andavanandro tao an-trano ny asa tanana maro fahiny, ohatra hoe nanamboatra fitaovana, nandrafitra, nanao biriky, nanao kofehy, nanenona, nanao lamba, ary nanefy tanimanga sy firavaka. Lasa nisy havanana tamin’ny asa tanana sasany anefa rehefa nanorim-ponenana ny olona. Efa nisy havanana toy izany na dia talohan’ny Safodrano aza. (Ge 4:21, 22) Nentin’i Nebokadnezara ho babo tany Babylona ny mpanao asa tanana, niaraka tamin’ny andriana sy ny miaramila mpanorina manda fiarovana, tamin’ny 617 T.K. (2Mp 24:14, 16; Je 24:1; 29:2) Niara-nonina ny mpanao asa tanana tao amin’ny tanàna sasany, ary ny asany no nahafantarana azy. Namorona fikambanana koa izy ireo, ary nandray anjara lehibe tamin’izay nitranga tao an-tanàna. (Ne 3:8, 31, 32; 11:35; Je 37:21; As 19:24-41) Tsy misy firy ny soratra miresaka amin’ny an-tsipiriany momba ny fomba fiasan’ireny mpanao asa tanana ireny, afa-tsy izay nataon’ny Ejipsianina. Ahitana ny sarin’ny mpanao asa tanana isan-karazany eo am-perinasa koa ny sary nataon’izy ireo.

Tsy nanao sary sokitra kely na zavatra hafa hivavahana ny Jiosy na dia nalaza aza izy ireny, satria noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny nanompo sampy. (Ek 20:4; De 4:15-18; 27:15) Nivoatra niaraka tamin’ny fivavahana tamin’ny sary ny fahaizana asa tanana sy sary sokitra tany Asyria sy Babylonia ary tany an-tany hafa. (Sl 115:2, 4-8; Is 40:19, 20; 44:11-20; 46:1, 6, 7; Je 10:2-5) Nanao tempoly kelin’i Artemisy tamin’ny volafotsy no asa fiveloman’i Demetrio sy ny mpanao asa tanana (gr.: teknitai) namany tao Efesosy.​—As 19:24-27.

Ahitana fanazavana momba ny asa tanana isan-karazany ny lahatsoratra hoe BIRIKY; FANAOVANA KOFEHY; FANDOKOANA LAMBA; FANENOMANA; MPANAO HODITRA; MPANDATSA-BIRIKY; MPANDRAFITRA; MPANEFY; MPANEFY TANIMANGA; PETA-KOFEHY; ary SOKITRA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara