FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Zanak’olo-mpiray Tam-po”
  • Zanak’olo-mpiray Tam-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zanak’olo-mpiray Tam-po
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Rahalahy, Anadahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Havana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nenitoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Zanak’olo-mpiray Tam-po”

ZANAK’OLO-MPIRAY TAM-PO

Zanaky ny nenitoa na ny dadatoa. Voalaza fa “zanak’olo-mpiray tam-po [gr.: anepsiôs] amin’i Barnabasy” i Marka (Kol 4:10), ary eo ihany no ahitana an’io teny grika io. Ampiasaina koa izy io mba hilazana an’izay mety ho zafin’ny mpiray tam-po sy ny toy izany. Mampiasa ny hoe anepsiôs koa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Nomery 36:11, ary milaza maro izy io ao. Ny teny hebreo mifanitsy amin’izy io kosa nadika ara-bakiteny hoe “zanaky ny rahalahin-drainy”, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta.

Milaza ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ao amin’ny Lioka 1:36 fa zanak’olo-mpiray tam-po (syggenis) i Maria sy Elizabeta. Endriny iray amin’ilay teny grika hoe syggenes nadikan’ny Baiboly ankehitriny hoe “havana” ny syggenis. (Lk 2:44; 21:16; As 10:24; Prot., Kat., TV) Indimy ny syggenes no miseho ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, ary midika koa hoe “havana” izy io, fa tsy hoe “zanak’olo-mpiray tam-po” fotsiny araka ny ahazoana azy ankehitriny.​—Le 18:14; 20:20; 25:45; 2Sa 3:39; Ezk 22:6; LXX.

Tsy ahitana teny hoe “zanak’olo-mpiray tam-po” ao amin’ny Soratra Hebreo, nefa hita ao ihany ny hoe “zanak’i ... dadatoan’i Arona” sy ny hoe “zanaky ny dadatoany.” (Le 10:4; 25:49) Voaresaka ao koa hoe nisy zanak’olo-mpiray tam-po nifanambady, anisan’izany i Jakoba sy Rahely, ary teo koa ireo zanakavavin’i Zelofada. (Ge 28:2; 29:10-12; No 36:11) Tsy anisan’ny firaisana amin’olom-pady voararan’ny Lalàn’i Mosesy ny fanambadiana zanak’olo-mpiray tam-po. (Le 18:8-16) Tsy mitovy ny lalàn’ny tany samihafa ankehitriny: Misy mamela ny zanak’olo-mpiray tam-po hifanambady, misy kosa mandrara izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara