VOAN-KOTIMILA
[Heb.: gad].
“Fotsy tahaka ny voan-kotimila” (Ek 16:31) ny mana nohanin’ny Israelita tany an-tany efitra, ary hoatran’ireo voa ireo koa ny endriny.—No 11:7.
Maniry isan-taona ny kotimila (Coriandrum sativum), izay anisan’ny fianakaviamben’ny karaoty na persily. Mirefy 40 ka hatramin’ny 50 sm eo ho eo izy, toy ny an’ny persily ny raviny, ary mavokely na fotsy ny voninkazony mitsitokotoko. Fotsy mivolondavenona ny voany boribory (1-3 mm ny savaivony). Misy menaka manitra ao anatin’ireo voa, izay azo atao laron-tsakafo sy fanafody aretim-bavony madinidinika.
Efa ela ny tany Ejipta no namboly kotimila ka fantatry ny Israelita tsara izy io, talohan’ny nialany tany. Maniriniry ho azy izy io any Ejipta sy Palestina.