BIBILAVA VARAHINA
Sarin’ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy tany an-tany efitra. Nikomy mantsy ny Israelita teo akaikin’ny sisin-tanin’i Edoma, ka nimenomenona momba ny mana sy ny rano. Nandefasan’i Jehovah bibilava misy poizina àry izy ireo ho saziny. Maro no voakaikitra ka maty. Nibebaka anefa ilay vahoaka, ka nifona ho azy ireo i Mosesy. Nasain’i Jehovah nanao sarina bibilava teo amin’ny tsato-kazo famantarana àry izy. Nataon’i Mosesy ilay izy, ary “raha nisy olona voakaikitra ka nijery an’ilay bibilava varahina, dia tsy maty.”—No 21:4-9; 1Ko 10:9.
Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona ilay karazana bibilava nalefan’i Jehovah. Azo ilazana bibilava misy poizina mandoro na mampanaintaina ny teny hebreo nadika hoe “bibilava misy poizina” (hannehashim hasserafim) ao amin’ny Nomery 21:6.
Notehirizin’ny Israelita ilay bibilava varahina, ary lasa nivavahany sy nanolorany setroka ho sorona, nandritra ny 700 taona mahery. Nasain’i Hezekia mpanjakan’ny Joda (745-717 T.K.) nopotehina àry ilay bibilava, tamin’izy niezaka namerina ny fivavahana marina. “Nehostana” no ampiasain’ny Baiboly sasany ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:4 (Prot., Kat., DIEM), fa tsy hoe “sampy bibilava varahina.” Azo adika ara-bakiteny toy izao mantsy ilay soratra hebreo: “Lasa nantsoiny hoe Nehostana ilay izy.” “Bibilava halimo” sy “sampy bibilava halimo” kosa no nandikana ny hoe nehoshtan (heb.) ao amin’ny diksionera iray. (Hebräisches und Aramäisches Lexikon zum Alten Testament, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1983, p. 653) Mety tsara àry raha “nantsoina hoe sampy bibilava varahina” ilay bibilava, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
Nohazavain’i Jesosy Kristy tamin’i Nikodemosy ny mifanitsy amin’ilay bibilava varahina tany an-tany efitra. Hoy izy: “Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona. Tahaka ny nanandratan’i Mosesy an’ilay bibilava tany an-tany efitra no tsy maintsy anandratana koa ny Zanak’olona, mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.” (Jn 3:13-15) Toa an’ilay bibilava varahina nahanton’i Mosesy tamin’ny tsato-kazo, dia nofantsihana tamin’ny tsato-kazo toy ny olom-boaozona koa ny Zanak’Andriamanitra, ka noheverin’ny maro ho mpanao ratsy sy mpanota. (De 21:22, 23; Ga 3:13; 1Pe 2:24) Tsy maintsy naneho finoana ka nibanjina an’ilay bibilava varahina izay Israelita voakaikitry ny bibilava misy poizina nalefan’i Jehovah. Tokony haneho finoana an’i Kristy koa izay te hiaina mandrakizay.