FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kisleo”
  • Kisleo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kisleo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fetin’ny Fitokanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Bola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kisleo”

KISLEO

(Kislèo).

Volana jiosy fahasivy taorian’ny sesitany. Mifanitsy amin’ny Novambra-Desambra izy io (Ne 1:1; Je 36:9; Za 7:1), ary volana fahatelo tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana.

Tao anatin’ny ririnina io volana io, ka nangatsiaka sy be orana. “Volana fahasivy tamin’izay, ka nipetraka tao amin’ny trano ririnina” i Joiakima Mpanjaka, “ary nisy fatana nirehitra teo anoloany.” (Je 36:22) “Nipetraka teo an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitra” kosa ny olona novorin’i Ezra mpisorona tao Jerosalema nanomboka ny 20 Kisleo, taorian’ny sesitany. “Nangovitra izy ireo satria raharaha lehibe no hodinihina sady avy ny orana.”​—Ezr 10:9, 13.

Natao tamin’ny ririnina ny Fetin’ny Fitokanana tao Jerosalema. (Jn 10:22) I Jodasy Makabeo no nisantatra an’io fety naharitra valo andro io ny 25 Kisleo 165 T.K., ho fahatsiarovana ny nanokanana indray ny tempolin’i Jerosalema, araka ny 1 Makabeo 4:52-59 (boky tsy anisan’ny Baiboly). Hanoukka no anaran’io fety io ankehitriny.​—Jereo FETIN’NY FITOKANANA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara