FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hanin-kisoa”
  • Hanin-kisoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanin-kisoa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Tantaran’ny zanakalahy nania iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lantihy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tsaramaso Be
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ray Vonona ny Hamela Heloka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hanin-kisoa”

HANIN-KISOA

[Gr.: keratiôn].

Satrin’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy hihinana ny hanin-kisoa, satria noana be izy. (Lk 15:16) Voan’ny hazo karobie (Ceratonia siliqua) ilay hanin-kisoa eo. Maniry eran’i Palestina sy ny faritr’i Mediterane io hazo tsara tarehy maitsoririnina mahatratra 9 m io, ary madinika mamiratra toy ny an’ny hazo volondavenona ny raviny. Volontsôkôlà somary volomparasy mamiratra sy mafy ny hoditry ny voany, ary miendrika tandroka mifaingoka, araka ny anarany hoe keratiôn (gr., “tandroka kely”). Mirefy 15 ka hatramin’ny 25 sm ny lavan’ilay hodiny, ary 2,5 sm eo ho eo ny sakany. Toy ny pitipoà ny voany maromaro ao anatiny, eny anelanelan’ny nofony mamy madity azo hanina. Mbola ataon’ny maro sakafon’ny soavaly, omby, ary kisoa ireny ankehitriny. Misy manao grefy an’ilay hazo mba hahazoana voany tsara kokoa hohanin’ny olona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara