FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lehiben’ny Mpiambina ny Tempoly”
  • Lehiben’ny Mpiambina ny Tempoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lehiben’ny Mpiambina ny Tempoly
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Teo Amin’ny Latabatry ny Kapiteny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Petera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lehiben’ny Mpiambina ny Tempoly”

LEHIBEN’NY MPIAMBINA NY TEMPOLY

Manam-pahefana nanarakaraka ny mpisoronabe (As 4:1), ary niandraikitra an’ireo mpisorona teo am-perinasa sy ireo Levita niambina ny tempolin’i Jerosalema sy nitandro filaminana. (Lk 22:4, 52) Nisy fizarana 24 ny Levita, ary nanompo herinandro ny fizarana tsirairay, indroa isan-taona. Azo inoana fa samy nanana ny lehibeny koa ny fizarana tsirairay sy ireo antoko kely kokoa.

Nanam-pahefana ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly. Niray tetika hanakarama an’i Jodasy hamadika an’i Jesosy izy ireo sy ny lehiben’ny mpisorona. Nitondra mpiambina sy mpisorona hisambotra azy koa izy ireo. (Lk 22:3, 4, 52) Anisan’ireo nisambotra an’i Petera sy Jaona tao an-tempoly ny lehiben’ny mpiambina, mba ho ara-dalàna ilay fisamborana. (As 4:1, 3) Mbola izy sy ny olom-peheziny koa no nitondra an’i Petera sy ny apostoly sasany (nafahan’ny anjely avy tao am-ponja) nankeo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, saingy tsy sahy nampiasa herisetra izy ireo.​—As 5:24-26.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara