FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bitynia”
  • Bitynia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bitynia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Tonga Hatrany Azia Minora ny Fivavahana Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Azia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kristianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nivavaka Tamin’iza ny Romanina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bitynia”

BITYNIA

(Bitynìa).

Faritany romanina tany amin’ny ilany avaratr’i Azia Minora, tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Torkia ankehitriny. Nanomboka teo Istanbul izy io no niantsinanana nanaraka ny morony atsimon’ny Ranomasina Mainty. Niezaka nankany Bitynia i Paoly sy Silasy ary Timoty tamin’ny dia misionera faharoa, saingy “tsy navelan’ny fanahin’i Jesosy.” (As 16:7) Tao Lystra i Timoty tamin’izay vao niaraka tamin’izy ireo. Tsy voalaza hoe nisy apostoly nitory tany Bitynia. Tena nisy Kristianina anefa tany, rehefa jerena ny taratasy voalohany nosoratan’i Petera tamin’ny taona 62-64 tany ho any. (1Pe 1:1) Nanoratra ho an’i Trajan mpanjaka romanina i Pline Zandriny, izay namita iraka manokana tany Bitynia. Nilaza izy fa maro ny Kristianina tao amin’ilay faritany, tany am-piandohan’ny taonjato faharoa, ka tsy tany an-tanàn-dehibe ihany no nisy ny Fivavahana Kristianina, fa tany amin’ireo “tanàna kely sy tany ambanivohitra koa.”​—Ireo Taratasy Nosoratan’i Pline, X, XCVI, 9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara