BETI-SANA
(Bèti-sàna).
Tanàna voaro mafin’ny Kananita izy io taloha, ary tazana tsara avy eo izay rehetra avy any amin’ny Lohasahan’i Jordana ho any amin’ny Lohasahan’i Jezirela. Mbola voatahiry ao amin’ny hoe Beisan (Bet Sheʼan) ny anaran’ilay tanàna fahiny, saingy ny tena nisy azy io dia tao Tell el-Hosn (Tel Bet Sheʼan), tsy lavitra eo. Tokotokony ho 120 m ambanin’ny haabon’ny ranomasina ny faritra misy an’i Beti-sana, fa midina tampoka ny ilany atsinanana mandra-pahatonga any amoron’i Jordana, izany hoe 5 km eo ho eo, ka lasa 275 m eo ho eo ambanin’ny haabon’ny ranomasina. Teo an-tampon’io fidinana be io no nisy ny dongona lehibe niorenan’i Beti-sana, ka mety tsara hitobian’ny miaramila. Lemaka mitovy tantana sy mahavokatra kosa no ao andrefany, izay ikorianan’ny reniranon’i Jaloda (Nahal Harod). Mihamiakatra io tany lemaka io mandra-pahatongany any Jezirela, tokotokony ho 17 km any andrefana avaratrandrefana.
Teo amin’io dongona io no nisy an’i Beti-sana, tazana tsara avy eo izay miditra mankao amin’ny Lohasahan’i Jezirela avy any atsinanana
Mandalo ao Beti-sana ny lalana avy any amoron-tsirak’i Mediterane, mamakivaky ny Lohasahan’i Jordana, ary tonga any amin’ny lalana mampitohy an’i Damaskosy sy Arabia.
Soson-tany maro misy tanàna rava no nofongarina tao Beti-sana, ary tamin’ny andron’i Abrahama ny tranainy indrindra. (KISARY, Boky 1, p. 959) Hitan’ny mpikaroka koa fa nanjaka tao Beti-sana ny Ejipsianina rehefa avy nandresy tao Megido i Thoutmosis III tany akaikikaikin’ny taona 1500 T.K. tany ho any. Nahitana porofo koa tao fa maromaro ny Farao nifandimby nanao an’i Beti-sana ho toby miaramila.
Rehefa naka ny tany Kanana ny Israelita (1473-t. 1467 T.K.), dia tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Isakara no nisy an’i Beti-sana fa nomena ny fokon’i Manase izy io. (Js 17:11; 1Ta 7:29) Tsy vitan’ny taranak’i Manase ny nandroaka ny Kananita nonina tao sy tany amin’ireo tanàna teny amin’ny lemaka manodidina, satria nolazain’izy ireo fa manana kalesin’ady misy lelan’antsy ny Kananita. Tsy neken’i Josoa, mpitarika azy ireo, anefa izany fialan-tsiny izany. Na tsy noroahin’izy ireo aza ny Kananita, dia nampanaoviny asa an-terivozona tatỳ aoriana.—Js 17:12, 13, 16-18; Mpts 1:27, 28.
Lasan’i Filistinina i Beti-sana tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Rehefa resin’ny Filistinina teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa teo akaiky teo i Saoly, dia nataon’izy ireo tao amin’ny “trano nisy an’ireo sarin’i Astarta” ny fiadiany, ary nataony tao an-tranon’i Dagona ny lohany. Ny fatiny sy ny an’ireo zanany lahy kosa nahanton’izy ireo teo amin’ny mandan’i Beti-sana, avy etỳ anatiny, izay nitodika tany amin’ny tany malalaky ny tanàna. Tena sahy sy be herim-po ny Israelita tao Jabesi-gileada, tokotokony ho 20 km any ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Niditra tao an-tanànan’i Beti-sana mantsy izy ireo mba haka an’ireo faty ireo, angamba tamin’ny alina.—1Sa 31:8-13; 2Sa 21:12; 1Ta 10:8-12.
Hita tamin’ireo zavatra nofongarina tao Tell el-Hosn, fa nisy tempoly roa tokoa tao, ka voalaza fa ny iray an’i Astarta, ary ilay tany atsimo kokoa an’i Dagona. Toa mbola nisy nivavaka tao amin’ilay tempolin’i Astarta hatramin’ny taonjato fahafolo T.K. Toa nisy fivavahana tamin’i Bala teo amin’io toerana io taloha, satria izao no voasoratra teo amin’ny tsangambato iray hita tao: “Mekala tompon’i [Balan’i] Beti-sana.”
Azon’ny Israelita ihany i Beti-sana tamin’ny andro nanjakan’i Davida, ary anisan’ny faritra 12 namatsy sakafo ny mpanjaka izy io rehefa nanjaka i Solomona. (1Mp 4:12) Nizara roa ny fanjakan’ny Israely tatỳ aoriana, ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama (993 T.K.) dia nanafika an’i Palestina i Farao Sisaka (nantsoin’ny Ejipsianina hoe Sesônka). (1Mp 14:25) Hita amin’ny sarisary eo amin’ny rindrina any Karnak any Ejipta, ny ady nataon’i Sisaka sy ny nahazoany tanàna maro, ary anisan’ireny i Beti-sana.
Lasa hoe Skytopolisy ny anaran’i Beti-sana tamin’ny andron’ny Makabeo. Milaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa izy io no lehibe indrindra tamin’ireo tanàna folo anisan’i Dekapolisy. (Ny Adin’ny Jiosy, III, 446 [ix, 7]) Izy io ihany no tany andrefan’i Jordana tamin’izy folo ireo.