BETI-ARABA
(Bèti-arabà) [Tranon’ny Lemaka Karakaina].
Iray tamin’ireo tanàna enina voalaza fa tany “an-tany efitra”, tao amin’ny tanin’i Joda. (Js 15:61) Voatonona izy io rehefa nofaritana ny sisin-tany manasaraka ny fokon’i Benjamina sy ny fokon’i Joda. (Js 15:6) Mety ho tanànan’ny Benjamita tafiditra tao amin’ny faritanin’i Joda izy io matoa voalaza fa tanànan’ny Benjamita nefa tao amin’ny tanin’i Joda. (Js 18:21, 22) Toa mbola ahitana ny anaran’ilay tanàna ao amin’ny hoe ʽAin el-Garabah, izay loharano any avaratry ny Lohasaha Falehan-driaka el Kilt, tokotokony ho 6 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Jeriko. Tokony ho tany an-tany efitra any amin’ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty àry no nisy an’i Beti-araba.