FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Beraka”
  • Beraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Beraka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Josafata, Lemaka Ivan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fampiharana Didim-pitsarana ao Amin’ny Lohasaha Fitsarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • “Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Refaima, Lemaka Ivan’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Beraka”

BERAKA

(Beràka) [Fisaorana].

1. Iray tamin’ireo lehilahy mahery sy kinga tamin’ny fandefasana zana-tsipìka. Anisan’ny fokon’i Benjamina izy, nefa niandany tamin’i Davida ka nankany aminy tany Ziklaga, tamin’i Davida mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly.​—1Ta 12:1-3.

2. Lemaka iva tany Joda, teo anelanelan’i Betlehema sy Hebrona. Misy mihevitra azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArrob. Toa mbola ahitana an’ilay anarana hoe Beraka ao amin’ny hoe Kirbet Bereikot (Berakôt), izay tsy lavitra eo. Avy any atsinanana miankandrefana io lohasaha io, mampitohy ny havoanan’i Joda sy ny tany efitra any andrefan’ny Ranomasin-tsira.

Novorin’i Josafata teo amin’io lemaka iva io ny vahoaka mba hisaotra an’i Jehovah, rehefa resy ny tafik’i Amona sy Moaba ary Edoma nitambatra. Izany no nahatonga an’ilay anarana hoe Lemaka Ivan’i Beraka (midika hoe “Fisaorana”).​—2Ta 20:26.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara