FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Beliala”
  • Beliala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Beliala
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nabala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ely, I
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Andron’i Davida
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gibea
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Beliala”

BELIALA

(Beliàla) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Tsy Misy Ilana Azy”; nakambana ny hoe beli, izay midika hoe “tsia, tsy misy” sy ny hoe yaʽal, izay midika hoe “mahasoa; ilaina”].

Tsy misy ilana azy, ratsy, tsy manjary. Ilazana hevitra, teny, sy torohevitra (De 15:9; Sl 101:3; Na 1:11) ary koa loza (Sl 41:8) ny teny hebreo hoe beliyaʽal. Ilazana olona tsy manjary koa izy io matetika, toy ireo nitaona olona hanompo andriamani-kafa (De 13:13), ireo Benjaminita nametaveta vehivavy iray tao Gibea (Mpts 19:22-27; 20:13), ireo zanak’i Ely roa lahy ratsy fanahy (1Sa 2:12), i Nabala mpanambany olona (1Sa 25:17, 25), ireo nanohitra an’i Davida voahosotr’Andriamanitra (2Sa 20:1; 22:5; 23:6; Sl 18:4), ireo mpomba an’i Jeroboama (2Ta 13:7), ireo nampiasain’i Jezebela mba hiampanga an’i Nabota (1Mp 21:10, 13), ary izay olona mampisy fifandirana (Oh 6:12-14; 16:27; 19:28). Tsy hanelingelina ny fivavahana marina arahin’ny vahoakan’i Jehovah intsony ny firenena fahavalo. Hoy mantsy Izy: “Tsy hisy handalo eo aminao intsony ny olona tsy manjary, ary ho ringana tanteraka izy.”​—Na 1:15; jereo koa 1Sa 1:16; 10:27; 30:22; Jb 34:18.

I “Beliala” no niantsoana an’i Satana, rehefa nosoratana ny Baiboly tamin’ny taonjato voalohany. Azo inoana àry fa i Satana ilay “Beliala” noresahin’i Paoly hoe: “Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala?”, tamin’izy nampifanohitra zavatra maromaro. (2Ko 6:15) I “Satana” no ampiasain’ny Peshitta syriàka ao amin’io andininy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara