FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bedana”
  • Bedana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bedana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Baraka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Nampandositra Tafika Nahery i Baraka Noho ny Finoany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Abdona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bedana”

BEDANA

(Bedàna).

1. Lehilahy nanafaka ny Israely tamin’ny fahavalo, ka tanisaina miaraka amin’i Gideona (Jerobala) sy Jefta ary Samoela. (1Sa 12:11) Tsy misy andinin-teny hafa anefa miresaka an’io Bedana io, sady tsy misy tantara miresaka momba azy koa. Hoy i C. Keil sy F. Delitzsch momba an’io andinin-teny io: “Tsy azo inoana mihitsy hoe hilaza anarana mpitsara iray i Samoela eo, nefa tsy ho voaresaka ao amin’ny bokin’ny Mpitsara mihitsy ilay olona satria fotsiny hoe tsy dia nisongadina.”​—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky II, 1 Samoela, p. 118.

Misy milaza an’i Bedana ho i Baraka. Miresaka fanafahana lehibe mantsy ny andinin-teny manodidina ny 1 Samoela 12:11 sady mampahatsiahy ny fangejana nampiharin’i Sisera sy ny fanafahana taorian’izay, dia ilay fanafahana nampiasan’i Jehovah an’i Baraka. Tononina miaraka amin’i Gideona sy Jefta i Baraka ao amin’ny Hebreo 11:32. “Baraka” no ao amin’ny 1 Samoela 12:11 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ao amin’ny Peshitta syriàka. Misy indray mihevitra an’i Bedana ho i Abdona Mpitsara.​—Jereo BARAKA.

2. Taranak’i Manase.​—1Ta 7:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara