BARZILAY
(Barzilày) [Vita Amin’ny Vy].
1. Meholatita. Izy no rain’ilay Adriela vadin’i Meraba zanakavavin’i Saoly.—1Sa 18:19; 2Sa 21:8.
2. Gileadita “mpanankarem-be” avy any Rogelima. Anisan’ireo olona telo namatsy sakafo sy fandriana an’i Davida sy ny tafiny i Barzilay, nandritra ny fikomian’i Absaloma. (2Sa 17:27-29) Rehefa niverina tany Jerosalema i Davida, dia nanatitra azy sy ny olony hatrany Jordana i Barzilay. Nanasa azy hitoetra ao an-dapa i Davida nefa tsy nety izy satria efa antitra be. Hoy izy: “Efa valopolo taona aho izao.” I Kimama kosa no nalefany hisolo toerana azy. Nanoroka sy nitso-drano azy i Davida rehefa nanao veloma azy. (2Sa 19:31-40) Nahatsiaro azy i Davida rehefa nadiva ho faty, ka nangataka an’i Solomona haneho hatsaram-panahy tamin’ireo zanakalahin’i Barzilay, mba ho ‘anisan’izay mihinana eo amin’ny latabany’ izy ireo.—1Mp 2:7.
3. Mpisorona nanambady ny zanakavavin’i Barzilay Gileadita (azo inoana fa ilay No. 2), ka nitondra ny anaran-drafozan-dahiny. Rehefa niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona ny taranany, dia tsy nahita ny anaran’izy ireo tao amin’ny lisitra nisy ny tetirazana, ka tsy nekena ho isan’ny mpisorona.—Ezr 2:61, 62; Ne 7:63, 64.