FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tsy Grika”
  • Tsy Grika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Grika
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Gresy, Grika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Kristianina Voalohany sy ny Tontolo Grika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nandresy Fahoriana i Paoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tsy Grika”

TSY GRIKA

Midika hoe miakanakana, miboredika, na teny tsy mazava ilay teny miverin-droa hoe “bar bar” ao amin’ilay hoe barbarôs (gr.), izay niantsoan’ny Grika tany am-boalohany ny hafa firenena, indrindra fa ireo niteny vahiny. Misy Baiboly mandika azy io hoe ‘Baribarianina.’ Tsy nanondro olona tsy nandroso na tsy nahalala fomba anefa izy io tamin’izany, ary tsy teny fanambaniana na fankahalana. Nanavahana ny tsy Grika tamin’ny Grika fotsiny izy io, mitovitovy amin’ny hoe “Jentilisa” izay nanavahana ny tsy Jiosy tamin’ny Jiosy. Tsy sosotra na nahatsiaro tena ho nambanina ny tsy Grika nantsoina hoe barbarôs. Nisy mpanoratra jiosy (toa an’i Josèphe) niaiky fa izany no niantsoana azy ireo. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 187 [x, 1]; Diso Hevitra i Apion, I, 58 [11]) Niantso ny tenany hoe Baribarianina koa ny Romanina talohan’ny nanarahany ny kolontsaina grika. Tsy nanana heviny ratsy àry ilay tenin’i Paoly tamin’izy ireo hoe “ny Grika sy ny tsy Grika [“Baribariana”, JM]”, fa mahafaoka ny olon-drehetra fotsiny.​—Ro 1:14.

Ny fiteniny no tena nampiavaka ny Grika tamin’ny firenen-kafa, ka Baribarianina no niantsoana an’ireo tsy niteny grika, toy ny mponin’i Malta izay nampiasa fiteny hafa tanteraka. Nataon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe “hafa ny fitenin’ireo mponina tao” àry ilay hoe barbarôi. (As 28:1, 2, 4) Indroa i Paoly no nampiasa ny hoe barbarôs (“vahiny; hafa firenena”) tamin’izy nanoratra momba ny fahaizana fiteny samihafa. (1Ko 14:11; jereo koa Kl 3:11.) Mampiasa an’io teny io koa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Salamo 113:1 (114:1 ao amin’ny Baiboly hebreo sy malagasy) sy Ezekiela 21:36 (21:31, TV).

Novan’ny Grika tsikelikely ho teny fanamavoana ny hoe “Baribarianina”, satria nihevitra izy ireo fa ambony noho ny an’ny hafa rehetra ny fiteniny sy kolontsainy, ary satria koa nanambany azy ny fahavalony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara