FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanaratsiana”
  • Fanaratsiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanaratsiana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Petera, Taratasy Nosoratan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Manehoa Fitiavana sy Fanajana ka Fehezo ny Lelanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Manambara ho Marina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fankatoavana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanaratsiana”

FANARATSIANA

Io no nandikana an’ilay teny grika hoe katalalia. Iray tarika amin’ny katalalia ny hoe katalaleô, izay matoanteny midika ara-bakiteny hoe “manendrikendrika” tsy amin’antony sy noho ny haratsiam-panahy. (1Pe 2:12; 3:16) Nampifandraisin’i Jakoba tamin’ny hoe mitsara an-tendrony na manameloka fahatany izy io, ka lasa midika hoe manameloka tsy ara-drariny.​—Jk 4:11; ampit. Sl 50:20.

Fanaratsiana olona tsy eo imasony no hevitr’ilay teny hoe katalalia. Anisan’ireo hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny mpanaratsy, ary milaza ny Baiboly fa mendrika ny ho faty izay tsy mitsahatra manao izany. (Ro 1:18, 28-30, 32) Nanahy mafy ny apostoly Paoly rehefa hankany Korinto sao hisy Kristianina hifanaratsy teo anivon’ny fiangonana, nefa izy ireo aza efa nanao fahadisoana lehibe hafa nila nalamina. (2Ko 12:20) Tsy hiasa tsara amin’ireo mpianatra vaovao mihitsy ny Tenin’Andriamanitra, raha tsy miezaka izy ireo mba tsy hifanaratsy na hanao zava-dratsy hafa. Amin’izay ihany “ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra” vao hampitombo azy ireo ho amin’ny famonjena. Oharina amin’ny ronono mantsy ireo fampianarana ao amin’ny Soratra Masina izay tena ilain’izy ireo.​—1Pe 2:1, 2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara