FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bala-salisa”
  • Bala-salisa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bala-salisa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Salisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Gilgala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Elisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Tafik’i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bala-salisa”

BALA-SALISA

(Bàla-salìsa) [Tompon’i Salisa].

Toerana niavian’ny lehilahy iray nitondra mofo 20 ho an’i Elisa mpaminany. Vita tamin’ny vary orza voaloham-bokatra sy voa vaovao ireo mofo ireo. (2Mp 4:42-44) Nisy mosary tamin’izay, ary tany Gilgala i Elisa. Ampy an’ireo lehilahy 100 “zanaky ny mpaminany” ilay sakafo kely, ary nisy sisa tsy lany.​—2Mp 4:38, 43; ampit. Mt 14:20; Mr 8:8.

Voalaza fa tany akaikin’i Gilgala no nisy an’i Bala-salisa, ary azo inoana koa fa tany amin’ny “faritr’i Salisa.” Nitety an’io “faritr’i Salisa” io i Saoly tamin’izy nikaroka ny ampondravavin-drainy. (1Sa 9:4) Miresaka an’i Bala-salisa ny Talmoda babylonianina, ka lazainy fa masaka aloha be ny voankazo any. (Sanhedrin 12a) Misy milaza an’i Bala-salisa ho i Kafr Tolt, eo am-pototr’ireo havoanan’i Efraima, ka ilay hoe Tolt dia teny arabo mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe Salisa. Tokotokony ho 46 km any avaratra avaratrandrefan’i Jerosalema no misy an’i Kafr Tolt.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara