ATALIA
(Atalìa).
1. Vadi-mpanjaka sady mpanjakavavy tao Joda. Zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely tamin’i Jezebela vadiny i Atalia ary zafikelin’i Omry. (2Mp 8:18, 26) Anabavin’i Jorama mpanjakan’ny Israely izy. Anadahiny na anadahiny hafa reny koa ireo 70 lahy hafa zanak’i Ahaba, izay nasain’i Jeho novonoina. (2Mp 3:1, 2; 10:1-9) Nomena ho vadin’i Jorama zanakalahin’i Josafata mpanjakan’ny Joda i Atalia, noho ny fifanarahana nataon’ny fanjakana roa tonta. (2Mp 8:25-27; 2Ta 18:1) I Atalia no renin’i Ahazia, izay lasa mpanjakan’ny Joda tatỳ aoriana.
Toy ny nataon’i Jezebela reniny ihany no nataon’i Atalia satria nampirisika an’i Jorama vadiny hanao ratsy teo imason’i Jehovah izy, nandritra ireo valo taona nitondran’io vadiny io. (1Mp 21:25; 2Ta 21:4-6) Nandatsaka ran’olon-tsy manan-tsiny maro koa izy, toa an-dreniny ihany. Naripak’i Atalia avokoa ny tarana-mpanjaka rehetra, rehefa maty i Ahazia zanany lahy izay mpanjaka ratsy fanahy, herintaona taorian’ny nitondrany. I Joasy zaza ihany no sisa niangana, satria nafenin’ny mpisoronabe sy ny vadiny, izay nenitoan’i Joasy. Nanao ny tenany ho mpanjakavavy àry i Atalia, ka nitondra nandritra ny enin-taona (t. 905-899 T.K.). (2Ta 22:11, 12) Norobain’ireo zanakalahin’i Atalia ny tempolin’i Jehovah, ka natolotr’izy ireo ho an’ireo Bala ny zava-masina tao.—2Ta 24:7.
Mpisoronabe natahotra an’Andriamanitra i Joiada, ka navoakany avy tao amin’izay nanafenany azy i Joasy rehefa fito taona, dia nosatrohany diadema ary nohosorany ho mpanjaka ara-dalàna. Nihazakazaka nankany amin’ny tempoly i Atalia raha vao nandre tabataba, sady niantsoantso hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” Nasain’i Joiada novonoina tany ivelan’ny tempoly izy, teo amin’ny lalana fidiran-tsoavaly teo amin’ny tranon’ny mpanjaka. I Atalia angamba no farany indrindra tamin’ny ankohonan’i Ahaba ratsy fanahy. (2Mp 11:1-20; 2Ta 22:1–23:21) Marina tokoa ilay hoe: “Tsy hisy ho raraka an-tany ny tenin’i Jehovah izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba.”—2Mp 10:10, 11; 1Mp 21:20-24.
2. Benjamita anisan’ny ankohonan’i Jerohama, ary nonina tao Jerosalema.—1Ta 8:26-28.
3. Rain’ny iray tamin’ireo niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Ezra, tamin’ny 468 T.K. Anisan’ny fianakavian’i Elama izy.—Ezr 8:1, 7.
4. [An’i Attale]. Tanàna nisy seranana, teo amoron-tsirak’i Pamfylia, tany Azia Minora. Rehefa hifarana ny dia misionera voalohany nataon’i Paoly, dia tao izy no naka sambo hankany Antiokia any Syria, tokony ho 500 km niala avy tao Atalia.—As 14:24-26.
I Attale II, mpanjakan’i Pergamosy (159-138 T.K.), no nanorina an’i Atalia (Antalya ankehitriny), teo akaikin’ny vinanin’ny Reniranon’i Cataractès. Izy io no lasa seranana lehibe indrindra tao amin’ny faritanin’i Pamfylia, ka tany ireo faritra nanan-karena tany atsimoandrefan’i Frijia no nanondrana ny entany. Teo koa ny olona avy tany afovoan’i Azia Minora no naka sambo ho any Syria sy Ejipta. Taloha i Atalia dia seranan’i Perga, tanàna iray tokony ho 13 km niala teo. Lasa i Atalia indray anefa no nalaza kokoa tamin’ny andron’ny apostoly.