FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Asafa”
  • Asafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asafa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Lehilahy Modely—Asafa
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Afaka Misedra ny Finoanao ny Fanambinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Joa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpanoratra ny Raharaham-panjakana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Asafa”

ASAFA

(Asàfa) [Izy (Andriamanitra) dia Nanangona].

1. Taranak’i Levy avy tamin’i Gersoma. (1Ta 6:39, 43) Rehefa nampiakarina “tao amin’ny Tanànan’i Davida” ny Vata misy ny fifanekena, izay tao an-tranon’i Obeda-edoma, dia notendren’ny Levita ho lehiben’ny mpihira sy mpampaneno kipantsona i Asafa, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka (1077-1038 T.K.). (1Ta 15:17, 19, 25-29) Nanompo teo anoloan’ny tranolay masina i Asafa, niaraka tamin’i Hemana sy Etana, ary nitarika ny mozika sy ny hira izy ireo. (1Ta 6:31-44) Nantsoina hoe “mpahita fahitana” toa an’i Hemana sy Jedotona (toa i Etana ihany) i Asafa, ary “naminany niaraka tamin’ny harpa.”​—1Ta 25:1-6; 2Ta 29:30; 35:15.

Anisan’ny antoko-mpitendry zavamaneno sy antoko-mpihira koa ireo zanakalahin’i Asafa. Nandray anjara be izy ireo rehefa notokanana ny tempoly ka nentina tany amin’izay tokony hisy azy ny Vata misy ny fifanekena tao Ziona (2Ta 5:12); sy rehefa nanao fanavaozana lehibe hanohanana ny fivavahana marina i Hezekia (2Ta 29:13-15); ary rehefa nankalaza an’ilay Paska nanetriketrika i Josia Mpanjaka. (2Ta 35:15, 16) Taranak’i Asafa ny sasany tamin’ireo olona voalohandohany niverina tany Jerosalema taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ezr 2:1, 41; Ne 7:44.

Voasoratra eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-50 sy faha-73 hatramin’ny faha-83 fa i Asafa no nanoratra an’ireo hira ireo. Lohan’ny fianakaviambe izy. Toa ny taranany anefa fa tsy izy no nanoratra an’ireo hira ireo, satria zava-nitranga taorian’ny androny no resahin’ny salamo sasany.​—Sl 79; 80.

2. Taranak’i Kehata zanakalahin’i Levy. Mpiandry vavahady nanompo tao amin’ny tranolay masina ny taranak’i Asafa, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 26:1; No 16:1.

3. Nisy olona ambony iray, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka (745-717 T.K.), nantsoina hoe “Joa zanak’i Asafa mpanoratra ny raharaham-panjakana.” (2Mp 18:18, 37; Is 36:3, 22) I Asafa no lazain’i John Kitto hoe “mpanoratra ny raharaham-panjakana.” (Rakipahalalana Momba ny Haisoratra Ara-baiboly, 1880, Boky I, p. 233) Ny ankamaroan’ny manam-pahaizana kosa mihevitra fa i Joa no izy (izany hoe Joa [zanak’i Asafa] ilay mpanoratra ny raharaham-panjakana). Matetika no azo ilazana ny “taranaka” ny hoe ‘zanaka.’ Misy mihevitra àry hoe i Asafa No. 1 ihany ity Asafa ity.

4. Ilay ‘mpiambina ny alan’i’ Artaksersesy Mpanjaka, tamin’ny fotoana niverenan’i Nehemia tany Jerosalema (455 T.K.). (Ne 2:8) Angamba ala iray tany Libanona izy io, ary teo ambany fahefan’i Persa i Libanona. Hita amin’ny anarana hebreo an’ilay mpiambina fa mety ho Jiosy nanana toerana ambony izy, toa an’i Nehemia izay mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka.​—Ne 1:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara