FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Artemisy”
  • Artemisy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Artemisy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifanohitra ny Fivavahana Marina sy ny Fanompoan-tsampy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Moa ve mbola misy ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Efesosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Artemisy”

ARTEMISY

(Artemìsy).

[Sary, pejy 204]

Artemisin’ny Efesianina, andriamanibavin’ny fahavokarana; misy biby sampontsampona manodidina ny lohany, ary kintana fijerena tononandro eo amin’ny tratrany

Virjiny andriamanibavin’ny fihazana nivavahan’ny Grika. Ny Romanina kosa niantso azy hoe Diana. Mitondra tsipìka sy zana-tsipìka ary manenjika haza, indrindra fa serfa, izy amin’ny sary. Nihevitra ny Grika fa iray ihany ilay Artemisy resahin’ny angano grika sy ilay Artemisin’ny Efesianina, izay nivavahana eran’i Azia Minora. (As 19:27) Hafa mihitsy anefa ilay Artemisin’ny Efesianina, izay andriamanibavin’ny fahavokarana. Misy milaza fa nono maro be na atody na vihin’ny ombilahy natao sorona no hita eo amin’ny sariny. Misy sarisary samihafa sy sarim-biby ny tapany ambany, izay toy ny hoe nofonosina lamba.

Ampitovin’ny olona amin’ireo andriamanibavy lehibe nivavahan’ny firenen-kafa ilay Artemisy tany Efesosy, ary misy milaza fa mety ho iray ihany ny niandohan’izy ireo. Hoy Ny Diksioneran’ny Baiboly (Boky I, p. 605): “Sady mitovitovy amin’ilay Cybèle nivavahan’ny Frijianina i Artemisy, no mitovitovy amin’ireo andriamanibavin’ireo firenena aziatika, toa an’i Ma tany Kapadokia, Astarta tany Fenisia, ary Atargatis sy Mylitta tany Syria. Toa iray ihany ny niandohan’izy rehetra fa miseho amin’ny endriny samy hafa fotsiny izy ireo arakaraka ny firenena, vokatry ny fiovana nisy teo an-toerana sy teo amin’ilay firenena.”​—Nataon’i J. Hastings, 1904.

Anisan’ireo zava-mahatalanjona fito teto an-tany ny tempoly lehiben’i Artemisy tany Efesosy. Vita tamin’ny hazo sedera sy siprey sy marbra fotsy ary volamena izy io.

Olona ana hetsiny nanerana an’i Azia Minora no tonga tany Efesosy, mba hankalaza ny fety lehibe natao isaky ny volana Artemisiona (Martsa-Aprily). Nentina nandehandeha eran’ny tanàna ny sarin’i Artemisy ary nisy fifaliam-be tamin’izay.

Ny fanamboarana tempoly kelin’i Artemisy tamin’ny volafotsy no nampanan-karena an’i Demetrio sy ny mpanefy volafotsy tany Efesosy. Tsy nivavaka intsony tamin’ilay andriamanibavy anefa ny olona maro nitorian’ny apostoly Paoly. Notaomin’i Demetrio hirotaka àry ny mpanao asa tanana, rehefa nilazany fa hampihena ny vola azon’izy ireo ny fitorian’i Paoly, ary mety hanafoana ny fivavahana tamin’i Artemisy andriamanibavy lehibe. Nisahotaka koa ny vahoaka, nefa nasain’ny ben’ny tanàna niparitaka avy eo.​—As 19:23-41; jereo EFESOSY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara