FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Areta”
  • Areta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Areta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Heroda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Herodiasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Antipasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Damaskosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Areta”

ARETA

(Arèta) [Tsara Toetra; Tena Tsara].

Nisy mpanjaka arabo maromaro nantsoina hoe Areta. Ny farany tamin’izy ireo no nifehy an’i Damaskosy, rehefa niray tetika tamin’ny Jiosy ny governoran’i Damaskosy mba hamono an’i Paoly. Tsy nahomby anefa izy ireo, satria nampidinina tamin’ny sobika avy teo am-baravarankelin’ny mandan’ny tanàna i Paoly.​—As 9:23-25; 2Ko 11:32, 33.

Nampanambadian’i Areta an’i Heroda Antipasy (jereo HERODA No. 2) ny zanany vavy. Nisarahan’i Heroda Antipasy anefa io vadiny io, mba hanambadiany an’i Herodiasy. Nomelohin’i Jaona Mpanao Batisa izy, noho izany fanitsakitsaham-bady izany. (Mt 14:3, 4) Niady sisin-tany koa i Areta sy Antipasy ka notafihin’i Areta izy ary resiny tanteraka. Nanome baiko an’i Vitellius, governoran’i Syria, àry i Tiberio Mpanjaka hoe tsy maintsy samborina i Areta na maty na velona. Nanomana ny tafiny àry i Vitellius. Izy rahateo tsy tia an’i Antipasy. Maty tamin’ny taona 37 anefa i Tiberio, ka rava maina ilay ady tamin’i Areta. I Caligula no mpanjaka nandimby an’i Tiberio, ary nataony nivadika ny rasa ka i Heroda Agripa I no nasolony an’i Antipasy, ary navelany hifehy an’i Damaskosy i Areta. Nisy vola madinika fampiasa tamin’izany fotoana izany nahitana ny anaran’i Areta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara