FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ararata”
  • Ararata

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ararata
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisy Nahita ve Ilay Sambofiaran’i Noa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Adrameleka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Askenaza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Sarezera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ararata”

ARARATA

(Araràta).

Anaran’ny toerana ihaonan’i Torkia sy Iran ary Armenia, sady anaran’ilay tandavan-tendrombohitra any.

Teo ambonin’ny “tendrombohitra Ararata” no tafapetraka ny sambofiara, taorian’ny Safodrano. (Ge 8:4) “Tany Ararata” no nandositra i Adrameleka sy Sarezera rehefa avy namono an’i Sankeriba rainy, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia. (2Mp 19:37; Is 37:38) Anisan’ireo ‘fanjakana’ nandrava an’i Babylona tamin’ny taonjato fahenina T.K. i Ararata, araka ny faminanian’i Jeremia. (Je 51:27) Asehon’ireo andininy ireo fa tany avaratr’i Asyria no nisy an’i Ararata. Nilaza i Eusèbe sy Jérôme ary ny ankamaroan’ny mpanoratra “kristianina” tany am-boalohany fa i Armenia ihany no Ararata, ary izany no hita ao amin’ny Isaia 37:38 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, sy ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:37 ao amin’ny Vulgate latinina. “Orarto” no iantsoana an’i Ararata ao amin’ireo soratra asyrianina maro nisy tamin’ny andro nanjakan’i Salmanesera I, Asoronasirpala II, Salmanesera III, Tiglato-pilesera III, ary Sargona II, tamin’ny taonjato fahasivy sy fahavalo T.K. Nanoratra i Esara-hadona zanak’i Sankeriba sady mpandova ny fanjakana asyrianina fa resiny tao Hanigalbat, tany Armenia, ny tafik’ireo rahalahiny namono an-drainy. Asehon’ireny soratra asyrianina ireny sy ny nanononan’i Jeremia an’i Ararata niaraka tamin’ny fanjakan’i Miny sy Askenaza fa toa tany amin’ireo tendrombohitra tany amin’ny Farihin’i Van, any Armenia taloha, no nisy an’i Ararata, ka ny loharanon’ny Reniranon’i Tigra no teo atsimony, ary ny Tendrombohitra Caucase no teo avarany.

Ilay tendrombohitra avo indrindra any amin’iny faritra iny no tena antsoina hoe Ararata, ary lazain’ny lovantsofina fa teo no nipetraka ny sambofiaran’i Noa. Misy tendrombohitra roa matsokotsoko mielanelana 11 km eo ho eo any, ary lalina be ny lempona eo anelanelany. Tokotokony ho 5165 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ilay avo kokoa, ary rakotra lanezy foana ny tendrony hatreo amin’ny 900 m. Any atsimoatsinanana kosa ilay iva kokoa, ary 3914 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io. Tena sarotra iakarana ilay avo kokoa. I Parrot no olona voalohany tafakatra teny, tamin’ny 1829. Mampahatsiahy tantara ao amin’ny Baiboly ny anaran-toerana maro any: Aghri Dagh (Tendrombohitry ny Sambofiara), ohatra, no iantsoan’ny Tiorka an’i Ararata, fa Kôh-i-noh (Tendrombohitr’i Noa) kosa no iantsoan’ny Persianina azy io.​—Jereo SAMBOFIARA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara