ZAVATRA HAFAHAFA
Miverina indroa monja ny teny grika hoe fantasma ao amin’ny Baiboly. Nandeha teny ambony Ranomasin’i Galilia i Jesosy tamin’izay, ary nanatona an’ireo mpianany tao anaty sambokely izy. (Mt 14:26; Mr 6:49) Raiki-tahotra anefa izy ireo ka nilaza hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!” Nadika hoe “fanahy” (KJ), “matoatoa” (Prot., Kat., DIEM, JM), “fahitana mamitaka” (La), ary “zavatra hafahafa” (TV) ny teny grika fantasma.
Zavatra tsy tena misy fa foromporonin’ny saina fotsiny noho ny fahatairana na ny antony hafa, ny hoe fantasma. Nanome toky an’ireo mpianany àry i Jesosy hoe: “Izaho ihany ity. Aza matahotra.”—Mt 14:27; Mr 6:50.
Hafa indray ny toe-javatra tamin’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty sy niseho tampoka teo afovoan’ny mpianany. Nihevitra izy ireo fa “anjely [gr.: pneoma]” no hitany. (Lk 24:36, 37) Tsy te hampiaiky azy ireo fotsiny i Jesosy hoe izy ihany io, fa te hanome toky koa hoe nofo aman-dra izy fa tsy anjely. Hoy àry izy tamin’izy ireo: “Tsapao aho ka jereo fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana toy izao ahitanareo ahy izao.” (Lk 24:38-43; ampit. Ge 18:1-8; 19:1-3.) Tsy tokony hatahotra àry izy ireo. I Jesosy mantsy tamin’izay tsy hoatran’ilay anjely niseho tamin’i Daniela, izay nampahatahotra ny fahitana azy. (Ampit. Da 10:4-9.) Hafa koa ny fomba nisehoan’i Jesosy tamin’i Saoly ho any Damaskosy. Namirapiratra be izy ka lasa tsy nahita i Saoly.—As 9:1-9; 26:12-14; jereo FAHITANA; FIOVAN-TAREHY.