FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Apolosy”
  • Apolosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Apolosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Apolosy — Mpitory ny Fahamarinana Kristiana Nahay Nandaha-teny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitoria mba Hanao Mpianatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Niely Be ... Sady vao Mainka Nisy Heriny Be”, na teo aza ny Fanoherana
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Korintianina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Apolosy”

APOLOSY

(Apôlôsy) [Mpandringana; fanafohezana ny hoe Apollonius].

Lehilahy jiosy iray avy any Aleksandria (any Ejipta), ary tena nahay nandaha-teny sady nahay tsara ny Soratra Hebreo. Toa mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa no nitory taminy, na Kristianina niaina talohan’ny Pentekosta. Voalaza mantsy fa “ny batisan’i Jaona ihany no fantany.” (As 18:24, 25) Tena nafana fo sy nanam-pinoana anefa izy. Raha vao tonga tao Efesosy àry izy tamin’ny taona 52 tany ho any, dia nitory tao amin’ny synagoga. Tamin’izay no nahalalany an’i Akoila sy Prisila. Nanampy azy izy mivady ireo mba hahalalany bebe kokoa ny fampianarana kristianina. Niala tao Efesosy izy ary nankany Akaia, sady nitondra taratasy fampahafantarana azy. Rehefa tonga tany izy, dia toa nanompo naharitra tao Korinto ary efa tao talohany i Paoly. Noporofoiny tamin-kery tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa diso ireo Jiosy tsy nino an’i Jesosy. Nanampy be an’ireo rahalahy tany Akaia izany nataony izany. Tena ‘nanondraka an’izay nambolen’i Paoly’ tokoa i Apolosy.​—As 18:26-28; 19:1; 1Ko 3:6.

Nampalahelo fa tamin’i Paoly nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny fiangonan’i Korinto (t. 55), dia efa nisaratsaraka ireo Kristianina teo anivon’izy io. Nisy nihevitra an’i Apolosy ho mpitarika azy ireo, ary nisy tia kokoa an’i Paoly na Petera, ary nisy nifikitra tamin’i Kristy ihany. (1Ko 1:10-12) Nanoratra ho azy ireo i Paoly mba hanitsiana izany. Nasehony fa tena tokony hiray saina izy ireo, ary mpanompo fotsiny ihany ny Kristianina tsirairay ka samy manompo an’Andriamanitra sy Kristy. (1Ko 3:4-9, 21-23; 4:6, 7) Toa tany Efesosy, na tany akaiky tany, i Apolosy tamin’izay, ary azo inoana fa tany koa no nanoratan’i Paoly ny Korintianina Voalohany. Voalaza ao mantsy fa nasainy nitsidika ny fiangonan’i Korinto i Apolosy. (1Ko 16:12) Tsy nazoto anefa izy, angamba satria ratsy ny toe-tsain’ireo Korintianina na satria fotsiny efa nanomboka zavatra iray mifandray amin’ny fanompoana izy ary nihevitra fa tokony hotohiziny kely aloha izy io. Fohy ny tenin’i Paoly, nefa ahitana fa tsy navelan’izy sy Apolosy hampisaratsaraka azy roa lahy ilay zava-nisy. Ao amin’ny Titosy 3:13 no voaresaka farany i Apolosy. Nilaza tamin’i Titosy i Paoly ao mba hanome ny zava-drehetra nilain’i Apolosy ho amin’ny diany. Tany Kreta i Titosy tamin’izay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara