FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ananiasy”
  • Ananiasy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ananiasy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona Roa Tsy Nilaza ny Marina
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Nahoana no Ratsy ny Mandainga?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Safira, I
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nandainga i Petera sy Ananiasy: Inona no Ianarantsika avy Amin’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ananiasy”

ANANIASY

(Ananiàsy) [anarana gr. avy amin’ilay anarana heb. hoe Hanania, izay midika hoe “Niantra i Jehovah; Tsara Fanahy i Jehovah”].

1. Olona iray teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany tany Jerosalema. Nifanampy ny Kristianina taorian’ny Pentekosta taona 33 mba hanomezana izay nilain’ireo rahalahy sy anabavy nijanona tao Jerosalema. Nivarotra ny taniny sy ny tranony àry izy ireo, ka ny vidin’ireny no nomeny an-tsitrapo mba hananganana tahirim-bola niombonana. (As 4:34-37) Nivarotra tany koa i Ananiasy, nefa ampahany tamin’ny vidin’ilay izy fotsiny no nomeny ary mody nataony hoe ny vidiny manontolo. Azo antoka fa te hahazo dera sy voninahitra teo anivon’ny fiangonana izy. Nahafantatra tsara izany koa ny vadiny. Nampian’ny fanahy masina anefa i Petera ka fantany fa nandainga i Ananiasy. Nabaribariny fa ‘namitaka ny fanahy masina sy namitaka an’Andriamanitra’ i Ananiasy. Niankarapoka i Ananiasy rehefa nandre izany, ka maty. Rehefa niverina ireo lehilahy avy nandevina azy, adiny telo teo ho eo tatỳ aoriana, dia efa maty koa i Safira, satria namerina ny laingan’ny vadiny.​—As 5:1-10.

2. Kristianina iray mpianatr’i Jesosy tao Damaskosy. Niresaka tamin’i Ananiasy tao amin’ny fahitana i Jesosy, rehefa niova ho Kristianina i Saoly. Nolazain’i Jesosy taminy ny anaran’i Saoly sy ny toerana ahitana azy, ary nasainy nitsidika an’i Saoly izy. Nisalasala i Ananiasy tamin’ny voalohany, satria fantany fa nanenjika mafy an’ireo Kristianina i Saoly. Nankany amin’i Saoly ihany anefa izy, ary nampahiratra azy indray sy nilaza taminy fa ho vavolombelon’Andriamanitra izy. Nikarakara ny fanaovana batisa azy koa izy. Nilaza i Saoly (Paoly), tatỳ aoriana, tamin’izy nilaza ny fiarovan-tenany teo anatrehan’ireo Jiosy mpanohitra, fa “lehilahy matahotra an’Andriamanitra” i Ananiasy, sady “mankatò ny Lalàna ary tsara laza teo amin’ny Jiosy rehetra nonina tany” Damaskosy. Tena tsara fitondran-tena izy, matoa ny Jiosy nidera azy nefa izy aza Kristianina.​—As 9:10-18; 22:12-16.

3. Mpisoronabe jiosy tamin’ny taona 48-58 tany ho any. Nilaza i Josèphe fa zanak’i Nedebaosy i Ananiasy, ary nanendry azy ho mpisoronabe i Heroda, mpanjakan’i Chalcis, rahalahin’i Heroda Agripa I. (Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 103 [v, 2]) Notsaraina tany Roma i Ananiasy tamin’ny taona 52 noho ny olana nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritanina. Nanafaka azy madiodio anefa ny mpanjaka Klaodio I.

I Ananiasy no nitsara an’i Paoly tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy, tamin’ny taona 56 tany ho any. Nandidy ny hamelezana ny vavan’i Paoly izy. Hoy i Paoly taminy: “Hamely anao koa Andriamanitra, ry rindrina voalalotra fotsy!” Nolazaina tamin’i Paoly fa ny mpisoronabe ilay notevatevainy. Nanazava àry i Paoly fa tsy fantany hoe mpisoronabe ilay nandidy ny hamelezana azy. Nanonona izay voalazan’ny Eksodosy 22:28 koa izy ary niaiky fa tokony hohajaina ny mpisoronabe. Nahoana no tsy fantatr’i Paoly hoe mpisoronabe i Ananiasy? Misy milaza hoe satria tsy tena ara-dalàna ny naha mpisoronabe an’i Ananiasy taorian’ny niverenany avy tany Roma. Tsy misy porofo marim-pototra manamarina izany anefa. Mety ho antony hafa koa ny hoe tsy nahita tsara i Paoly, ary misy andininy hafa toa mampiseho izany. Mety ho fohy koa ilay didy nomen’i Ananiasy sady mety ho tsy nahafehy ny fihetseham-pony izy rehefa nilaza an’ilay didy, ka sarotra tamin’i Paoly ny namantatra hoe iza ilay niteny.​—As 23:2-5.

Rehefa avy nitsara an’i Paoly i Ananiasy, dia nankany Kaisaria izy sy ny anti-panahy sasany ary ny mpisolovava iray, mba hiampanga an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa Governora. (As 24:1) Tsy resahin’ny Soratra Masina intsony izy taorian’izay. Asehon’ny tantara tsy ara-baiboly anefa fa mpanambony tena sy nasiaka be izy. Tena tia vola koa izy, rehefa jerena izay nataony tamin’izy mpisoronabe sy taorian’ny nanonganana azy. Nikomy ny Jiosy tamin’ny taona 66-70. Teo am-piandohan’io fikomiana io, dia nisy Jiosy nanenjika an’i Ananiasy, noho izy niray tsikombakomba tamin’ny manam-pahefana romanina. Niafina tao anaty lakandrano izy, nefa tratra ary novonoina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara