FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 81 p. 190-p. 191 feh. 2
  • Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Mpampianatra Lehibe i Jesosy?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Manaova Soa Hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • ‘Antsoiko hoe Namana Ianareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ilay toriteny nalaza indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 81 p. 190-p. 191 feh. 2
Jesosy, manao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ary misy olona be dia be mihaino azy

LESONA 81

Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra

Avy nifidy an’ireo apostoly 12 i Jesosy tamin’izay. Nidina avy teny an-tendrombohitra izy, ary nankeny amin’ny toerana iray feno olona. Avy any Galilia ry zareo, dia avy any Jodia, Tyro, Sidona, Syria, ary avy any ampitan’i Jordana. Nitondra olona narary sy nampijalijalin’ny demonia ry zareo, ary nositranin’i Jesosy daholo ireny. Nipetraka teo amin’ny sisin’ilay tendrombohitra i Jesosy avy eo, ary nanao toriteny. Nohazavainy izay tsy maintsy hataontsika raha te ho naman’Andriamanitra isika. Tokony hahatsapa, hono, isika hoe mila an’i Jehovah, dia hianatra ho tia azy. Tsy ho tia azy anefa isika raha tsy tia olona. Tokony ho tsara fanahy amin’ny rehetra àry isika, na dia amin’ny olona tsy tia antsika aza.

Hoy koa i Jesosy: ‘Tsy izay namanao ihany no tokony ho tianao, fa izay tsy tia anao koa. Tokony hamela heloka amin’ny fo ianao. Raha misy olona tezitra aminao, dia mandehana haingana mifona aminy. Ataovy amin’ny olona izay tianao hataony aminao.’

Jesosy, manao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ary misy olona be dia be mihaino azy

Nanome torohevitra tsara momba ny vola sy fananana koa i Jesosy. Hoy izy: ‘Aleo naman’i Jehovah toy izay manam-bola be. Ny volanao mantsy mety hisy hangalatra, fa ny fitahiana azonao noho ianao naman’i Jehovah tsy hisy afaka hangalatra izany mihitsy. Aza miady saina be hoe inona no hohaninao, na hosotroinao, na hotafinao, fa na ny vorona aza ataon’Andriamanitra mahazo sakafo ampy foana. Raha miady saina mantsy ianao, dia tsy hoe lasa miampy iray andro akory ny fotoana hahavelomanao. Tadidio fa fantatr’i Jehovah izay ilainao.’

Mbola tsy naheno olona nampianatra hoatran’i Jesosy ny vahoaka. Ny mpitondra fivavahana mantsy tsy mba nampianatra an-dry zareo an’izany rehetra izany. Fa nahoana i Jesosy no nahay nampianatra be hoatr’izany? Satria avy amin’i Jehovah ny zavatra nampianariny.

“Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.”​—Matio 11:29

Fanontaniana: Inona no tsy maintsy hataontsika raha tiantsika ny ho naman’i Jehovah? Inona no tian’i Jehovah hataontsika amin’ny olon-kafa?

Matio 4:24–5:48; 6:19-34; 7:28, 29; Lioka 6:17-31

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara