LESONA 4
Tezitra Izy dia Namono Olona
Nanan-janaka be dia be i Adama sy Eva taorian’ny nialany tao amin’ny zaridainan’i Edena. I Kaina no zanany voalohany, ary mpamboly izy. I Abela kosa no faharoa, ary mpiandry ondry izy.
Nanao fanatitra ho an’i Jehovah i Kaina sy Abela, indray andro. Hainao ve ny atao hoe fanatitra? Zavatra manokana omena an’Andriamanitra izany. Tena tian’i Jehovah ny fanatitra nataon’i Abela, fa ny an’i Kaina kosa tsy nahafaly azy. Tezitra be àry i Kaina. Nampitandrina azy i Jehovah hoe mety hahavita zavatra ratsy be izy raha tezitra foana. Tsy noraharahiany anefa izany.
Hoy kosa izy tamin’i Abela: ‘Andao isika roa lahy ho any an-tsaha.’ Dia inona no nataony rehefa ry zareo irery no tany? Novonoin’i Kaina io zandriny io dia maty! Nosazin’i Jehovah àry i Kaina. Nalefany lavitra be an’ireo fianakaviany izy, dia tsy nahazo niverina nody intsony.
Inona no azo ianarana avy amin’izany? Mety hanomboka ho tezitra isika rehefa tsy mifanaraka amin’izay tiantsika ny zava-mitranga. Mety hoe isika ihany no mahita hoe mihatezitra isika, na ny olon-kafa no mahatsikaritra an’izany dia mampitandrina antsika. Mila mifehy tena haingana isika amin’izay dia miova, sao lasa manao zavatra ratsy be.
Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy i Abela satria tia azy sady nanao ny tsara foana. Hatsangan’Andriamanitra izy rehefa hataony paradisa ny tany.
“Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Miverena avy eo, dia atolory ilay fanomezanao.”—Matio 5:24