FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 1 p. 8
  • Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Manomboka Mamorona Andriamanitra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ny Biby
    Mifohaza!—2015
  • Zaridaina Iray Tsara Tarehy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 1 p. 8
Ny zaridainan’i Edena

LESONA 1

Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra

I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona antsika. Izy no nanao ny zavatra rehetra, na ireny hitantsika ireny, na ny tsy hitantsika. Nanamboatra anjely be dia be aloha izy vao nanao an’ireny zavatra hitantsika ireny. Fantatrao ve hoe inona ny anjely? Zavaboary tsy hita maso hoatran’i Jehovah ry zareo. Ilay anjely noforonin’i Jehovah voalohany no nanampy azy, tamin’izy nanamboatra ny kintana, ny planeta, ary ny zavatra hafa. Anisan’ny planeta nataony ity tany tsara tarehy ipetrahantsika ity.

Nomanin’i Jehovah ny tany mba hipetrahan’ny biby sy ny olona. Nataony nanazava ny tany koa ny masoandro, dia avy eo izy nanao tendrombohitra sy ranomasina ary renirano.

Dia hoy i Jehovah taorian’izay: ‘Andeha hasiako bozaka maitso sy zavamaniry ary hazo eny ambonin’ny tany.’ Dia nisy voankazo sy legioma ary voninkazo isan-karazany nanomboka naniry tetỳ. Nanao biby be dia be izy avy eo. Tao ny nanidina, nilomano, nandady, ary nikisaka. Tao koa ny kelikely, ohatra hoe bitro, ary tao ny ngezabe, ohatra hoe elefanta. Inona no biby tianao indrindra?

Niteny tamin’ilay anjely voalohany noforoniny i Jehovah avy eo hoe: ‘Andao isika hanamboatra olona.’ Tsy hitovy amin’ny biby ny olombelona, satria hahavita hamorona zavatra, sady ho afaka hiteny sy hihomehy ary hivavaka. Hikarakara ny tany sy ny biby ry zareo. Iza àry ny olona noforonina voalohany? Fantatrao ve?

“Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”​—Genesisy 1:1

Fanontaniana: Iza izany Jehovah Andriamanitra izany? Inona avy no nataony?

Genesisy 1:1-26; Ohabolana 8:30, 31; Jeremia 10:12; Kolosianina 1:15-17

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara