Ankavia: Fivoriana an-kalamanjana tany Londres, any Angletera, tamin’ny 1945; Ankavanana: Fivoriambe manokana tany Malawi, any Afrika, tamin’ny 2012
FIZARANA 5
Mampianatra ny Vahoakany Ilay Fanjakana: Ampiofanin’i Jehovah Isika
FIVORIAMBE tamin’izay. Nitsiky kely ianao nijery an’ilay mpandahateny. Rahalahy ao amin’ny fiangonanareo izy, ary sambany vao nanao lahateny tamin’ny fivoriambe. Mbola tadidinao hoe sahirana be izy tamin’izy nanao anjara voalohany. Nanao Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana anefa izy tatỳ aoriana, ka lasa nandroso be. Vao haingana koa izy sy ny vadiny no nanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Tsy mahagaga àry raha tsara be ny lahateniny. Nitehaka mafy be ianao rehefa vita ilay izy, sady niaiky hoe sambatra isika rehetra satria tena mampianatra antsika i Jehovah.
Efa nilaza tokoa ny Baiboly hoe “hampianarin’i Jehovah” daholo ny vahoakany. (Isaia 54:13) Tanteraka izany izao. Manome antsika boky sy gazety izy mba hampianarana antsika. Eo koa ny fivoriana sy fivoriambe ary ireo sekoly isan-karazany natao hanampiana antsika hahavita tsara izay asainy hataontsika. Tena hita tokoa hoe efa mitondra ny Fanjakany. Hojerentsika ato amin’ity fizarana ity ny zava-drehetra ataon’i Jehovah mba hampianarana antsika.