FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 25 p. 29
  • Torohevitra Momba ny Finoana sy Fitondran-tena ary Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torohevitra Momba ny Finoana sy Fitondran-tena ary Fitiavana
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • “Miadia mafy ho an’ny finoana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Ry Malala, (...) tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Olona Nanoratra ny Tantaran’i Jesosy
    Ampianaro ny Zanakao
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jaona sy Joda
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 25 p. 29
Mpanoratra Baiboly manoratra taratasy

FIZARANA 25

Torohevitra Momba ny Finoana sy Fitondran-tena ary Fitiavana

Nanoratra taratasy hampaherezana ny mpiray finoana aminy i Jakoba, Petera, Jaona, ary Joda

RAHALAHIN’I Jesosy i Jakoba sy Joda, fa apostoly i Petera sy Jaona. Misy taratasy fito nosoratan’izy ireo sy mitondra ny anarany, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Natao hanampiana ny Kristianina tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny Fanjakany ny torohevitra voarakitra ao. Misy torohevitra momba an’ireto ao:

Finoana. Tsy ampy ny milaza ho manam-pinoana. Hoy i Jakoba: ‘Maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ (Jakoba 2:26) Lasa mahay miaritra kokoa isika, raha maneho finoana rehefa iharam-pitsapana. Hanampy antsika Andriamanitra, raha mangataka fahendrena aminy isika sady matoky fa homeny an’izany. Mahazo sitraka aminy izay miaritra. (Jakoba 1:2-6, 12) Inona àry no hataon’i Jehovah, raha manam-pinoana isika ka tsy mivadika? Hoy i Jakoba: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

Mila finoana matanjaka ny Kristianina, mba hanoherana ny fakam-panahy sy ny fitaomana haloto fitondran-tena. Naloto fitondran-tena ny olona tamin’ny andron’i Joda, ka nampirisika ny mpiray finoana taminy izy mba “hiady mafy hiaro ny finoana.”—Joda 3.

Fitondran-tena. Tian’i Jehovah ho masina ny mpanompony, izany hoe hadio amin’ny lafiny rehetra. Hoy i Petera: “Aoka ho masina ... ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina [i Jehovah].’ ” (1 Petera 1:15, 16) Manana modely ny Kristianina, araka ny tenin’i Petera hoe: “I Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.” (1 Petera 2:21) Marina fa mety hijaly ny Kristianina noho izy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Hanana “feon’ny fieritreretana madio” foana anefa izy, raha manao izany. (1 Petera 3:16, 17) Nampirisika ny Kristianina i Petera mba hanana fitondran-tena masina sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra, eo am-piandrasana ny andro fitsaran’Andriamanitra sy ilay tontolo vaovao “hitoeran’ny fahamarinana.”—2 Petera 3:11-13.

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8

Fitiavana. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy i Jaona. Nasongadiny fa naneho fitiavana lehibe Andriamanitra, rehefa naniraka an’i Jesosy, mba ho ‘sorona noho ny fahotantsika.’ Inona no tokony hataontsika ho setrin’izany? Hoy i Jaona: “Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia kosa isika.” (1 Jaona 4:8-11) Mampiseho fitiavana, ohatra, isika raha tia mandray vahiny, ka mandray tsara an’ireo Kristianina hafa.—3 Jaona 5-8.

Ahoana kosa no hanehoantsika fitiavana an’i Jehovah? Hoy i Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3; 2 Jaona 6) Raha mankatò azy isika, dia afaka matoky fa ho tiany foana, ary hanantena ‘hiaina mandrakizay.’—Joda 21.

​—Avy ao amin’ny Jakoba; 1 Petera; 2 Petera; 1 Jaona; 2 Jaona; 3 Jaona; Joda.

  • Ahoana no tokony hanehoana finoana?

  • Tian’Andriamanitra hanana fitondran-tena manao ahoana ny mpanompony?

  • Ahoana no hampisehoantsika fa tena tia an’Andriamanitra isika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara