FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 4 p. 7
  • Nanao Fifanekena Tamin’i Abrahama Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Fifanekena Tamin’i Abrahama Andriamanitra
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza moa i Abrahama?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nantsoin’i Jehovah hoe ‘Namany’ Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Abrahama sy Saraha—Tahafo ny Finoan’izy Ireo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 4 p. 7
Mijery ny kintana i Abrahama

FIZARANA 4

Nanao Fifanekena Tamin’i Abrahama Andriamanitra

Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nankatò azy. Nampanantena i Jehovah fa hitahy azy ary hahamaro ny taranany

NISY lehilahy atao hoe Abrahama nipetraka tany Ora, 350 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano. Tanàna nandroso be i Ora, ary tany Irak no nisy azy. Nanana finoana niavaka i Abrahama. Notsapaina anefa ny finoany.

Nasain’i Jehovah niala tao Ora tany nahaterahany izy, ka ho any amin’ny tany tsy fantany. Nankatò avy hatrany i Abrahama. Nentiny i Saraha vadiny sy Lota zana-drahalahiny, ary izay olona rehetra tao an-tranony. Tonga izy ireo rehefa avy nanao dia lavitra, ka Kanana no anaran’ilay toerana. Lasa nipetraka tamin’ny tranolay izy ireo. Nanao fifanekena tamin’i Abrahama i Jehovah, ka nampanantena azy fa hataony misy firenena lehibe avy aminy. Nampanantena an’i Abrahama koa izy fa amin’ny alalany no hahazoan’ny firenena rehetra fitahiana, ary ho lasan’ny taranany ny tany Kanana.

Lasa nanan-karena i Abrahama sy Lota. Nanana ondry sy omby be dia be izy ireo. Tsy tia tena i Abrahama, ka navelany hifidy izay faritra tiany i Lota. Nifidy ny faritra lonaka teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana i Lota, ary nanorim-ponenana tsy lavitra an’i Sodoma. Naloto fitondran-tena anefa ny lehilahy tao Sodoma. Nanao fahotana lehibe mihitsy izy ireo.

Mbola nanome toky an’i Abrahama i Jehovah tatỳ aoriana, fa ho maro be toy ny kintana ny taranany. Nino an’izany i Abrahama. Na izany aza, dia mbola tsy niteraka i Saraha, vady malalany. Rehefa 99 taona àry i Abrahama, ary efa ho 90 taona i Saraha, dia nilaza Andriamanitra fa hiteraka zazalahy izy mivady. Niteraka an’i Isaka tokoa i Saraha. Nanan-janaka hafa i Abrahama, kanefa avy amin’ny taranak’i Isaka ilay Mpanafaka nampanantenain’i Jehovah tao Edena.

Nipetraka tany Sodoma i Lota sy ny fianakaviany tamin’izany. Nanao ny tsara i Lota fa tsy nanahaka ny mponina tao, izay naloto fitondran-tena. Tapa-kevitra i Jehovah fa handringana ny mponina tao Sodoma sy tao Gomora, tanàna feno ratsy fanahy teo akaikin’izy io. Naniraka anjely hampilaza an’i Lota anefa aloha izy. Nasain’ireo anjely hiala haingana tao Sodoma i Lota mianakavy, ary tsy hitodika any aoriana. Nandatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora Andriamanitra avy eo, ka ringana daholo ny olona tao. Voavonjy i Lota sy ny zanany roa vavy, fa maty kosa ny vadiny satria tsy nankatò. Nitodika izy satria angamba nanembona an’ireo zavatra nilaozany.

​—Avy ao amin’ny Genesisy 11:10–19:38.

  • Nahoana i Abrahama no nifindra tany Kanana?

  • Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama?

  • Nahoana i Jehovah no nandringana an’i Sodoma sy Gomora?

ILAY NANAO FIFANEKENA

Karazana fampanantenana ny fifanekena. Nanao fifanekena maromaro toy izany i Jehovah fahiny, mba hampahafantarana tsikelikely hoe ahoana no hahatanteraka ny fikasany momba an’ilay Mpanafaka nampanantenainy tao Edena. Nasehon’ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama, ohatra, fa ho avy amin’ny taranak’i Abrahama ilay Mpanafaka. Mbola nanao fifanekena maromaro izy tatỳ aoriana, mba hampahazava kokoa hoe iza io Mpanafaka io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara