Fanampiana Anao Hianatra Baiboly
Misy torohevitra tena mahasoa anao ao amin’ny Baiboly.
• Lazain’ny Mpamorona antsika ao ny zava-kendren’ny fiainana.
• Ao no misy ny torohevitra tsara indrindra hiatrehana ireo olana misy ankehitriny.
• Hazavainy izay tokony hatao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra amin’ny andro fitsarana.
Mihoatra ny dimy tapitrisa izao ny fampianarana Baiboly atao eran-tany.
Azo atao ny mampianatra anao MAIMAIM-POANA any an-tranonao.
Raha te hianatra ianao, dia manorata amin’ny adiresy etsy ambany, na miresaha amin’izay Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao.