Inona no Hiafaran’ity Tontolo Ity?
Anisan’ny matoam-baovao eran-tany isan’andro ny loza sy olana lehibe maro! Midika ho inona izany rehetra izany?
FANDRIAMPAHALEMANA: Baomba nipoaka teny an-tsena. Mpampianatra sy mpianatra nisy nitifitra tany an-tsekoly. Ankizy lasan’ny mpangala-jaza. Vehivavy sy zokiolona nisy nandroba tamin’ny antoandrobenanahary.
FIVAVAHANA: Fiangonana manohana ady. Mpitondra fivavahana voarohirohy amin’ny fandripahana foko. Mpitondra fivavahana mametaveta ankizy; manafina izany ny Eglizy. Mihavitsy ny mpiangona; fiangonana maro no namidy.
TONTOLO IAINANA: Ripaka ny ala noho ny raharaham-barotra. Tapitra anaovan’ny mahantra kitay sy saribao ny hazo. Maloto ny rano, ka tsy azo sotroina. Mihavitsy ny trondro noho ny fomba fanjonoana maoderina sy ny fako simika. Manempotra ny rivotra maloto.
FIVELOMANA: Faran’izay ambany ny fidiram-bolan’ny olona any atsimon’i Sahara, isan-taona. Tia vola loatra ireo mpandraharaha ka bankirompitra ny orinasa, an’arivony no tsy an’asa. Voafitaka ny mpampiasa vola, ka nanjavona ny tahirim-bolany rehetra.
TSY FAHAMPIAN-TSAKAFO: Olona 800 tapitrisa no tsy manan-kohanina eran-tany.
ADY: Olona 100 tapitrisa mahery no maty noho ny ady tamin’ny taonjato faha-20. Maro ny fiadiana niokleary afaka mamono ny olombelona rehetra indray miaraka. Ady an-trano. Miely patrana ny fampihorohoroana.
ARETI-MANDRINGANA SY ARETINA HAFA: Olona 21 tapitrisa no matin’ny gripa espaniola nanomboka tamin’ny 1918. Ny SIDA izao no “aretina namoizana ain’olona be indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona.” Mampijaly olona eran-tany ny kansera sy aretim-po.
Jereo amin’ny ankapobeny ireo matoam-baovao ireo. Maningana ve ireo sa zavatra fahita eran-tany, manana heviny manokana?
[Efajoro/Sary, pejy 5]
Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Maro no mijaly rehefa iharan’ny loza isan-karazany, ka manontany tena hoe nahoana no tsy sakanan’Andriamanitra izy ireny?
Tena miahy antsika Andriamanitra. Manome tari-dalana tsara sy fanamaivanana izy ankehitriny. (Matio 11:28-30; 2 Timoty 3:16, 17) Efa nandray fepetra koa izy mba hanafoanana tanteraka ny herisetra sy aretina ary fahafatesana. Mampiseho izany fa miahy ny olona avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra izy.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Zava-dehibe aminao ve ny fikasan’Andriamanitra? Fantatrao ve hoe iza ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany? Iza no anarany? Inona no fikasany? Mamaly ireo fanontaniana ireo izy ao amin’ny Baiboly. Hazavainy ny fepetra efa noraisiny mba hanafoanana ny herisetra sy aretina ary fahafatesana. Inona kosa no tokony hataontsika? Mila mianatra momba azy sy ny fikasany isika. Tsy maintsy maneho finoana ny fikasan’Andriamanitra isika, raha te handray soa avy amin’izany. (Jaona 3:16; Hebreo 11:6) Tena ilaina koa ny mankatò ny zavatra takiny. (1 Jaona 5:3) Vonona ny hanao izany ve ianao?
Ho takatsika ny antony amelan’Andriamanitra ny ratsy hisy amin’izao fotoana izao, raha mazava amintsika ny raharaha lehibe iray. Manazava azy io ny Baiboly. Resahina ao amin’ny pejy 15 amin’ity bokikely ity izy io.