FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ol p. 2
  • Sasin-teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sasin-teny
  • Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
ol p. 2

Sasin-teny

TOMPON’IZAO rehetra izao ilay Andriamanitra Tsitoha. Miankina aminy ny fiainantsika ankehitriny sy ho avy. Sady afaka mamaly soa izy no afaka manafay. Sady afaka mamelona izy no afaka mamono. Tsara raha ankasitrahany isika, fa raha tsy izany kosa dia ho ratsy ny hiafarantsika. Tena zava-dehibe àry raha ankasitrahany ny fivavahantsika!

Fianakaviana iray mijoro eo amin’ny sampanan-dalana

Samy hafa ny fomba ivavahan’ny olona. Andeha hataontsika hoe lalana ny fivavahana. Samy mankany amin’Andriamanitra daholo ve ny fivavahana rehetra? Tsia. Nasehon’i Jesosy, mpaminanin’Andriamanitra, fa roa ihany ny lalana. Hoy izy: “Lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”—Matio 7:13, 14.

Roa ihany ny karazana fivavahana: Ilay mitarika ho amin’ny fiainana sy ilay mitarika ho amin’ny fahaverezana. Ny zava-kendren’ity bokikely ity dia ny hanampy anao hahita ilay lalana mankany amin’⁠ny fiainana mandrakizay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara