FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • la p. 2
  • Sasin-teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sasin-teny
  • Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?
Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?
la p. 2

Sasin-teny

Tovovavy iray miresaka amin’ny finday; tovolahy iray mampiasa écouteur; vehivavy iray tezitra be satria tsy miraharaha azy ny vadiny

Diniho izao zavatra mifanohitra izao: Ao amin’ny tany mandroso iray, dia maherin’ny 90 isan-jaton’ny olona no mihevi-tena ho tena sambatra na mahatsapa fahasambarana ihany. Ny telo ampahafolon’ny fanafody ampiasaina be indrindra ao amin’io tany io anefa dia omen’ny dokotera ho an’ny olona tratran’ny fahaketrahana. Ao amin’io tany io ihany, dia 91 isan-jaton’ny olona no mihevitra fa mahafa-po ny fiainam-pianakaviany. Efa ho ny antsasaky ny fanambadiana any anefa no miafara amin’ny fisarahana!

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny olona any amin’ny tany 18, izay efa ho ny antsasaky ny mponina eran-tany. Raha ny marina, dia tondroin’ilay fanadihadiana fa “toa miely patrana manerana ny ankamaroan’ireo firenena ny fiheverana fa manjombona ny hoavy”. Miharihary àry fa olona maro no tsy manana fiainana mahafa-po tanteraka. Ahoana ny aminao? Nomanina mba hanampiana anao hanana fiainana tena hahafa-po, ity bokikely ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara