FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 18 p. 30-31
  • Aoka Ianao ho Naman’Andriamanitra Mandrakizay!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Ianao ho Naman’Andriamanitra Mandrakizay!
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Vahoaka Afaka fa Ampamoahina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Tongava soa amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Tia Fahafahana”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Aza Diso ny Zava-kendren’ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 18 p. 30-31

LESONA 18

Aoka Ianao ho Naman’Andriamanitra Mandrakizay!

Mila miezaka ianao vao mahazo namana, nefa mila miezaka koa mba ho mpinamana foana ianareo. Hahazo fitahiana be dia be ianao, raha miezaka ho naman’Andriamanitra foana. Hoy i Jesosy tamin’ireo nino azy: “Ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Inona no dikan’izany?

Lehilahy anankiroa ao amin’ny Paradisa

Manafaka anao dieny izao ny fahamarinana. Manafaka anao amin’ny fampianaran-diso sy ny lainga aelin’i Satana izy io. Manana fanantenana koa ianao, fa tsy toa an’ireo olona an-tapitrisany tsy mahalala an’i Jehovah. (Romanina 8:22) Afaka amin’ny “tahotra ny fahafatesana” mihitsy aza ireo naman’Andriamanitra.—Hebreo 2:14, 15.

Ho afaka amin’ny fijaliana rehetra ianao ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Tena hahafinaritra ny fiainana amin’ny hoavy! Ho lasa Paradisa ny tany, ka tsy hisy ady sy aretina ary heloka bevava intsony. Tsy hahantra na ho noana intsony ny olona, ary tsy ho antitra na ho faty koa. Ho foana ny tahotra sy ny fampahoriana ary ny tsy rariny. Hoy ny Baiboly: ‘Manokatra ny tanany [Andriamanitra] ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.’—Salamo 145:16.

Hiaina mandrakizay ireo naman’Andriamanitra. Homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay ireo rehetra miezaka ny ho namany. Fanomezana sarobidy izany. (Romanina 6:23) Alao sary an-tsaina ny zavatra be dia be ho azonao atao amin’ny fiainana mandrakizay!

Lehilahy anankiray sy ankizivavy anankiray mijery biby, ary vehivavy anankiray mandoko

Hanam-potoana hanaovana zavatra maro be ianao. Angamba ianao te hianatra hitendry zavamaneno, na hanao hoso-doko, na handrafitra. Mety ho tianao ny handinika momba ny biby sy ny zavamaniry. Te hitety tany sy hamantatra olona isan-karazany koa angamba ianao. Ho azonao atao izany rehetra izany any amin’ny Paradisa!

Hahazo namana be dia be ianao. Hanam-potoana hifankahalalana amin’ireo naman’Andriamanitra maro be ianao, ao amin’ny tontolo vaovao. Ho fantatrao ny talentan’izy ireo sy ny toetra tsarany, ka ho lasa mpinamana ianareo. Ho tianao izy ireo, ary ianao koa ho tiany. (1 Korintianina 13:8) Azonao atao namana daholo ny olona eto an-tany amin’izay! Ny tena tsara anefa dia hoe ho lasa namana akaikin’i Jehovah ianao, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Enga anie ianao ka ho naman’Andriamanitra mandrakizay!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara