FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 15 p. 24-25
  • Manao ny Tsara ny Naman’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao ny Tsara ny Naman’Andriamanitra
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ahoana no hahasambatra ny fianakavianao?
    Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?
  • Fanalahidy Roa ho An’ny Fanambadiana Maharitra
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 15 p. 24-25

LESONA 15

Manao ny Tsara ny Naman’Andriamanitra

Raha tianao ny toetran’ny namanao, dia miezaka ho toa azy ianao. “Tsara sy mahitsy Jehovah”, hoy ny Baiboly. (Salamo 25:8) Tokony ho tsara toetra sy hanao izay mahitsy koa isika, mba ho naman’Andriamanitra. Hoy koa ny Baiboly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.” (Efesianina 5:1, 2) Ireto misy fomba azo ampiharana izany:

Lehilahy anankiroa miara-manorina trano

Ampio ny hafa. “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra.”—Galatianina 6:10.

Mazotoa miasa. “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara.”—Efesianina 4:28.

Mila madio isika. Tokony ho tsara koa ny fitondran-tena. “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.”—2 Korintianina 7:1.

Mpianakavy miara-mikarakara sakafo

Tiavo sy hajao ny fianakavianao. ‘Aoka ny lehilahy tsirairay ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny. Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo.’—Efesianina 5:33–6:1.

Manehoa fitiavana. “Aoka isika hifankatia hatrany, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.”—1 Jaona 4:7.

Ankatoavy ny lalàna eo amin’ny tany misy anao. “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny [fanjakana] ... Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra.”—Romanina 13:1, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara