FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 12 p. 20
  • Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Aiza ny Razantsika?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 12 p. 20

LESONA 12

Manao Ahoana Ny Olona Rehefa Maty?

Mifanohitra amin’ny hoe velona ny hoe maty. Hoatran’ny olona matory be ny maty. (Jaona 11:11-14) Tsy maheno, tsy mahita, tsy miteny, ary tsy mieritreritra izy ireny. (Mpitoriteny 9:5, 10) Milaza ny fivavahan-diso fa lasa fanahy ny maty, ary miaina miaraka amin’ny razany. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly.

Jesosy, manangana ny zanakavavin’i Jairo

Tsy afaka manampy na mampijaly antsika ny maty. Misy olona manatitra zavatra na manao fombafomba ho an’izy ireny. Mihevitra izy fa tian’ireo maty izany. Tsy tian’Andriamanitra anefa izany. Laingan’i Satana mantsy ny hoe mbola velona ny fanahin’ny maty. Tsy mahatsiaro tena ny maty, ka tsy mila anaterana zavatra. Tsy tokony hatahotra ny maty isika, na hivavaka amin’ny razana. Andriamanitra irery no tokony hivavahantsika.—Matio 4:10.

Ho velona indray ny maty. Hatsangan’i Jehovah izy ireny, rehefa ho lasa paradisa ny tany amin’ny hoavy. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Hain’Andriamanitra ny manangana ny maty. Toy ny hoe mamoha olona matory izany aminy.—Marka 5:22, 23, 41, 42.

Laingan’i Satana Devoly ny hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Ataon’i Satana sy ny demoniany izay hinoan’ny olona, fa mbola velona ny fanahin’ny maty ary mampijaly sy mampaharary ny hafa. Fitahin’i Satana izy ireo, ka ataony manonofy na mahita zavatra hafahafa. Misy koa olona mitady fomba hiresahana amin’ny maty. Tena tsy tian’i Jehovah izany.—Deoteronomia 18:10-12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara